Zava-doza no niseho tamin’ireto telo mirahalahy nandeha nividy merkiora tany Alaotra. Ny aina saika nafoy, ny entana tsy azo ary ny vola 30.000.000 ariary nanjavona. Avo lenta mihitsy ny soloky nahazo azy ireo.
Olona iray avy any Ambatondrazaka no nilaza tamin’izy telo lahy fa misy merkiora any Alaotra amidy 100.000.000 ariary. Nidina tany an-toerana izy ireo ny faran’ny herinandro teo ary nihaona tamin’ilay milaza fa manana merkiora hamidy. Naka vola 30.000.000 ariary izy ireo hatao vodiondrim-barotra. Tao amin’ny lalam-pirenena faha-44 tsy lavitra an’Andilanatoby no nanaovana ny adivarotra sy ny pitsopitsony hitondrana ilay entana. Nambaran’ireo mpivarotra fa tsy maintsy hanaovana fombafomba toy ny fanaovana joro ilay merkiora mialoha ny hitondrana azy. Raikitra tokoa ary ny joro sy ny fisotrosotroana. Rehefa nisotro kelikely anefa dia lasa tsy nahatsiaro tena izy telo mirahalahy ary ireo mpivarotra kosa nanjavona niaraka tamin’ilay vola 30.000.000 ariary saika atao vodiondrim-barotra. Ny mpandalo izay nahita azy telo lahy matory ao anaty fiara dia nihevitra fa nisy olana ny fiara nentin’izy ireo dia tavela eo amoron-dalana eo. Somary naharitra ihany anefa ilay fotoana nijanonan’ilay fiara ka nahalasa saina sy nampiahiahy ny manodidina. Soa ihany fa afaka nihetsika tao anaty fiara ny iray tamin’izy ireo ka iny no nitantara tamin’ny mpandalo ny zavatra nahazo azy ireo. Ireo indray avy eo no nampandre ny borigadin’ny zandary ao Vohidiala. Avy hatrany dia nentina haingana tao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka izy telo mirahalahy ny alakamisy hariva ary ny sabotsy alina no voatery nampidirina amin’ny hopitaly lehibe iray eto Antananarivo. Efa ao anatin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ankehitriny ny mpitandro ny filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.