Aferana fiaramanidina mampiahiahy

« Orinasa Malagasy ara-dalàna eto no tokony hahazo laharana 5R »


  • Zoma 25 Jolay 2025

Isan’ny namoaka voalohany ny raharaha mampiahiahy mikasika ny fiaramanidina

nampitondraina laharana Malagasy sy nampidirina antsokosoko tany Iran ny mpandraharaha Raobelina Andry, izay efa nanana kaompaniam-pitaterana an’habakabakabaka, saingy nikatona rehefa tonga ny Fanjakana Rajoelina. « Tsy tokony hahazo fametrahana laharam-pamantarana 5R raha tsy orinasa malagasy ara-dalàna. Araka ny fitsipika mifehy ny fiaramanidina eto Madagasikara, ny kaody 5R dia natokana ho an’ny fiaramanidina an’ny orinasa mpitatitra an’habakabaka voasoratra ara-dalàna eto an-toerana (misy certificat de transport aérien – CTA). Raha tsy orinasa malagasy manana zo miasa eto, dia tsy ara-dalàna ny fanomezan-dalana hampiasa an’io kaody io. », hoy i Raobelina Andry. Voamarina fa efa "strike off" na efa foana tanteraka any Inde ilay orinasa nantsoina hoe UDAAN Aviation. Raha misy mitonona an’io anarana io eto Madagasikara dia tokony hijery akaiky ny fisoratana ara-panjakana sy ny CTA ananany eto an-toerana. Raha anarana nalaina fotsiny io nefa tsy misy fototra ara-dalàna eto, dia mampanahy be izany, hoy hatrany izy. Nanamafy noho izany ity farany fa tranga manjavozavo ny mikasika ny toerana misy ny fiaramanidina. Ao amin’ny « communiqu » na fampitam-baovaon’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar), lazaina fa any amin’ny faritra sinoa Lanzhou no misy ireo fiaramanidina alohan'ny fahataperan'ny telo volana, kanefa, araka ilay lahatsoratra nivoaka omaly 23 jolay ihany, dia efa ao IRAN ireo fiaramanidina ireo, izay manitsaka tanteraka ny sazy iraisam-pirenena. Raha marina izany, dia saromana ny zava-misy. Ho ampiasaina eto hono nefa any Iran ilay entana nafarana, hoy hatrany i Raobelina Andry nametra-panontaniana hoe : fanadiovan-tena ve sa fialana bala amin’ny alalan’ny fampitam-baovao? Nahitsy ny tenany nilaza fa mety ho ezaka hanadio tena ilay fanehoan-kevitra navoakan’ny ACM, saingy tsy ampy manazava sy tsy mamaly ireo fanontaniana fototra maro. Aminy, tokony hijery akaiky ity raharaha ity ny parlemantera fa tsy atokisana ny fitondram-panjakana raha izao. Misy raharaha goavana miafina ao ambadik’izao toe-javatra izao. Raha marina fa nomena « imatriculation » malagasy ireo fiaramanidina ary orinasa ivelany tsy voasoratra ara-dalàna eto no mitantana azy, dia voahitsaka tanteraka ny lalàna eto amin'ny firenena. Tokony hisy fandraisana andraikitra matotra avy hatrany, hoy hatrany i Raobelina Andry.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT