Aferana fiaramanidina

Ahiana indray ny kolikolim-panjakana goavana...


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Raharaha maneho ahiahy ara-pitantanana goavana eto amin'ny Firenena

indray ny fahatafidirantsika ao anatin'ny "scandale international" tamin'ireo fiaramanidina boeing 777 nampidirina antsokosoko nakany Iran, kanefa iharan'ny sazy tsy afaka mividy sy mampiasa Boeing, Airbus,... io Firenena io. Tamin’ny volana Janoary 2025, ny ACM dia nanome fahazoan-dalana vonjimaika amin’ireo Boeing 777-212 dimy an’ny UDAAN Aviation, nefa tsy nisy porofo mazava fa hampiasaina amin’ny sidina ara-barotra eto Madagasikara. Mba hahafahany miala any amin’ny firenena niaviany sy hahafahany manao “maintenance” any Kenya araka ny lazaina fa nifanarahana, dia nomena “Certificat d’Immatriculation Provisoire” (CIP) miampy “Certificat de Navigabilité (CDN) provisoire” manan-kery mandritra ny telo (3) volana ilay Orinasa. Mampanahy ihany koa ny sidina nataon’ilay fiaramanidina mitondra ny immatriculation 5R-HER izay niala avy any Siem Reap ka niafara tany Mashhad, Iran, firenena voasazy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nandritra ny fandalovana an’i Afghanistan, dia nofoanana tanteraka ny signal ADS-B nataon’ilay fiaramanidina, izay manamafy ny ahiahy fa nisy fikasana hanakonana ny toerana sy ny tanjona farany amin’io sidina io. Raha tokony hanan-kery manomboka ny 17 Janoary 2025 hatramin’ny 17 Aprily 2025 izany antontan-taratasy izany dia nambara fa novaina ho lasa 12 Aprily 2025 hatramin’ny 12 Jolay 2025. Raha ny tena marina anefa, ny orinasa UDAAN dia efa tsy voasoratra ara-dalàna intsony tao Inde nanomboka ny 11 Septambra 2022, ka mampametra-panontaniana amin’ny antony nahafahana namoaka taratasy manome zo ara-pitaterana amin’ny fiaramanidina be tahaka ireo. Raha atao jery todika lalina, misy ny Orinasa lazaina hoe UDAAN Potentials Ltd dia voasoratra tao Analamahitsy, misy anarana mpitantana Malagasy, saingy mirakitra asa roa tsy mifandray: “transport aérien” sy “vente d’épices”, manamafy ny ahiahy hoe tsy tena misy na "société écran" fotsiny izany.
TENA TSY MAHALALA AN’IO VE NY FITONDRANA AN-TAMPONY ?
Manao fanambarana fialàna andraikitra ny ACM, sady manamafy fa nisy hosoka sy fampiasana taratasy sandoka nataon’ny UDAAN, kanefa mbola nomeny taratasy fahazoan-dalana ara-potoana io orinasa efa voafafa amin’ny rejisitry ny orinasa io. Nolazaina fa novaina ny datin'ny fahazoan-dalana nomena ny janoary. Raha tsorina, tsy azo inoana velively fa firenena toy i Madagasikara dia hanome laharam-pamantarana fiaramanidina miisa dimy nefa tsy fantatra sy tsy nandalo tamin'ny fitondrana ambony. Raha tsy nisy fifanarahana ara-panjakana mialoha, dia tokony hiala amin’ny toerana ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Tale Jeneralin’ny ACM. Manoloana izany, tsy azo ihodivirana ny voka-dratsin’ity tranga ity amin’ny sehatra iraisam-pirenena: mety hiteraka fahaverezan’ny AGOA, fifanarahana ara-barotra manan-danja amin’i Etazonia, ka hiteraka fatiantoka amin’ny vanille malagasy. Ankoatra izany, betsaka ny fanahiana famotsiana ny mainty eto izay mety hanamafy ny ahiahy Iraisam-pirenena. Ny zava-nitranga dia mampiseho endrika kolikoly sy fanomezana tombontsoa amin’ny orinasa tsy mazava, izay mety hanimba tanteraka ny sarin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny mikasika an'i Romy Voos Andrianarisoa ohatra, raha jerena ny fanamelohana azy tany ivelany sy ny fanambarana diso natao tamin’ny fahitalavitra frantsay, dia mampitombo ny ahiahy iraisam-pirenena fa misy fifandraisana amin’ny kolikoly ambony ao amin’ny rafitra fitondrana. Tsy nisy fandraisana andraikitra na sazy nataon'ny Fitondrana Rajoelina fa mety ny mifanohitra amin'izany aza. Ny eo tsy milamina, ny eo misosoka ihany...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT