Aferana « cocombre de mer »

Fiarana depiote teo aloha sarona tany amin’ny RN6


  • Zoma 10 Janoary 2025

Fiara 4×4 roa izay niainga avy tany amin'ny distrikan'Analalava hihazo Ambanja nitondra

concombre de mer » na dingadingana tsy nahazoana alalana milanja eo amin'ny 800 Kg eo no saron'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny lalam-pirenena faha-6 omaly alakamisy 09 Janoary 2025, nanodidina tamin'ny 01 ora mahery. Voalaza fa fiaran’ny depiotenan'Analalava, teo aloha, Djaosera Irénée ity tratra ity. Nisy mihitsy aza ny filazana fa izy sy ny mpamily iray namany mipetraka ao Antsohihy no tratra izao niaraka amin`ny fiara, saingy andrasana ny tatitra ofisialin’ny manam-pahefana. Nisy kosa ny filazana fa tsy manana taratasy fahazoan-dalana hitatitra ireo dingadingana izy ireo. Efa notazomina ao tobin'ny Zandary ao Antsohihy ny fiara sy ireo dingadingana ireo. Andrasana ny tohiny. Ny 23 desambra no nisiana fahatrarana depiote am-perin’asa niaraka tamin’ny sokatra marobe teny Antehiroka, ary ity indray dia depiote teo aloha no voasaringotra amina afera maloto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT