Nangingina ny raharaha fanondranana boaderozy teo aloha teo. Manomboka mifoha indray ny resaka ankehitriny.
Ny azo antoka aloha, dia tsy maintsy olona manana fahefana sy mpanam-bola be vao afaka manao an’io ary efa tambajotra mihitsy. Misy tendro hifandraisany hatrany, araka izany, ireo mpanao azy ka na mety misy aza ny tsy fifankahazoan-kevitra ara-politika, dia mahay mifampiaro ihany any anaty afera na koa samy manao ny bizina ataony fa tsy mifamotika. Manomboka vaky bantsilana anefa ny resaka. Novoizina tato ho ato, ohatra, ny naha tafiditra ny mpanefoefo sady mpandraharaha Mbola Rajaonah akaiky ny filoham-pirenena, izay nambara fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanondranana ilay andramena 30 000 bolabola saika halefa tany Hong Kong Sina. Sarona tao amin’ny seranan-tsambon’i Jurong tany Singapour anefa io. Tsy any amin’ny hoe marina sa diso ny adihevitra ankehitriny fa efa miakatra any amin’ny hoe efa tena vonon-kiady sy hifamotika ve ny mpifankahalala afera, ka hifamaky bantsilana ny raharaha maizina rehetra teto amin’ny firenena satria samy nanao ? Raha jerena, ohatra, ny momba ireo orinasa fampahalalam-baovao mamoaka resaka mikasika ny mpanolotsain’ny filoha ankehitriny iray ho mpanondrana boaderozy, dia olona voatonona anarana tamin’ny raharaha boaderozy ihany no ao ambadika na tompon’ilay orinasa mihitsy, tsy iza izany fa i Mamy Ravatomanga tompon’ny Groupe Sodiat. Ny fotoanan’ny tetezamita no tena nampalaza an’io aferana boaderozy io, ka olona ambony tamin’izany no tsy afa-miala; tsy mbola nisy koa anefa ny raharaham-pitsarana mazava natao ka noho izany tsy misy ny meloka araka ny lalàna fa tombatombana no betsaka hatreto aloha. Tsikaritra amin’ny zava-mitranga ihany anefa fa misy ny fampiasana mpikarama an’ady politika amin’ity resaka boaderozy ity ka manao resabe etsy sy eroa. Hita ihany koa fa ireo irakiraka ankehitriny dia zary lasa mpanao fitan-droa sy manao fitaovana ny fahalalana tsiambaratelo, ka mitaky volabe mba tsy hamoahana ny marina. Nisy ny olona nalaza ho mpanondrana andramena tamin’ny tetezamitan-dRajoelina, ary nisy ihany koa no nalaza tamin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity. Zary samy manetsika ny mpikarama an’adiny avy no ataon’izy ireo amin’izao. Samy mangina sy tsy misy mpiteny kosa ireo ambara ho tena tompon’ny afera. Re kosa anefa fa efa misy sahy mamoaka vava any ambadika any ireo olobe tononina lava amin’ity raharaha ity hoe asaivo mitory ary ry Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny tetezamita raha sahy, dia ho hitantsika eo ny fipoaky ny afera ! Izany ve no mampangina ny sasany ? Mifampiandry kendry tohana, saingy efa manomboka mipoaka ny afera maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.