Aferan-tsokatra goavana 646 isa

Olona 5 nidoboka am-ponja vonjimaika


  • Alakamisy 19 Febroary 2026

Mitohy ny afera sy trafikana

harena voajanahary. Sokatra miisa 646 be izao indray no sarona tany Morondava, taorian'ny hetsika manokana nataon'ny manam-pahefana ny herinandro lasa teo. Avy any Atsimo Andrefana no nakana ireo biby arovana, ka ny 572 amin’ireo sokatra no mbola velona sy natolotra ny DREDD na ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana, ary efa noraisina an-tanana ny fikarakarana azy. Raha tsiahivina, tamin’ny 12 Febroary 2026, no nisy olona roa tratra nitondra ireo sokatra 646 ireo, vokatr’ilay hetsika manokana natao hiadiana amin’ny trafika. Ny ampitso, 13 febroary, dia tratra ihany koa ireo namany telo lahy niaraka tamin’ny sambo kely misy motera izay nokasaina hitondrana ireo sokatra. Niakatra Fitsarana, ka tsy nisy famindram-po, nogadraina avy hatrany ireo olona dimy voasambotra niaraka tamin’ny sokatra taorian'ny fanolorana azy ireo teo anatrehan'ny fampanoavana ny talata teo izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika avokoa. Ny fitsarana dia nanambara fa heloka bevava lehibe ny fanondranana harem-pirenena toy ny sokatra, ary voararan’ny lalàna tanteraka izany. Na izany aza, mety ho ireo mpandripaka eny ifotony itony sarona itony fa moa mba efa sarona ve ireo tena atidoha izay mety ao ambadiky ny trafika makany ivelany ? Tsy vao sambany tamin'ny trafikana sokatra izao ary mampiteny ny moana raha ny isany an-jatony maro, an'arivony,... raha tsy hilaza afatsy ilay trafikana sokatra 1076 sarona tany Thaïlande ny mey 2024, ny trafika nahatrarana ny depiote Roméo Ramantanana ny desambra 2024,... Araka ny lalàna Malagasy n°2005-018, voararan’ny lalàna ny fanondranana sy ny varotra iraisam-pirenena momba ny karazana biby sy zavamaniry voaaro raha tsy misy fahazoan-dalana manokana. Ny sokatra Malagasy toy ny Astrochelys radiata sy Astrochelys yniphora dia tafiditra ao amin’ny Annexe I an’ny CITES, midika fa voarara tanteraka ny varotra iraisam-pirenena raha tsy amin’ny toe-javatra manokana toy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny sazy dia ahitana fampidirana am-ponja avy hatrany, onitra ara-bola lehibe, ary fandraràna amin’ny asa na fahazoan-dalana mifandraika amin’ny varotra. Madagasikara dia efa nitatitra tranga maro momba ny fisamborana sy ny fanenjehana ara-pitsarana noho ny trafikana sokatra, manaporofo fa tena henjana ny fanatanterahana ny lalàna sy ny fepetra napetraky ny CITES, saingy tsy mety foana ny mpanao trafika, hany ka ahiana ho lany tamingana ireo biby arovana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT