Afera trafikana sokatra 1076 sy varika 48 isa

Nalefa tany Bangkok ny Minisitry ny tontolo iainana


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Noraisin’ny Minisitry ny Fitsarana Thaïlandais kolonely Thawee Sodsong tao Bangkok ny solontenan’ny

governemanta Malagasy dia ny Minisitry ny tontolo iainana Malagasy Max Andonirina Fontaine ny alakamisy lasa teo. Ankoatra ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Thaïlande, dia nifampiresahan’ny roa tonta ny dingana ara-pitsarana mifandraika amin’ny fanenjehana ireo mpanao trafikana harem-pirenena voajanahary avy eto Madagasikara, hoy ny tatitra. Misongadina ary tena iompanan’ny resaka moa ny fahatrarana ireo sokatra 1076 sy varika 48 avy aty Madagasikara saron’ny polisy tany an-toerana ny fiandohan’ny volana mey lasa teo. Olona 6 no voasambotra tany Thailande. Voalaza fa naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’io lafiny ady amin’ny trafika io ny manam-pahefana any amin’io firenena io. « Hampodiantsika eto Madagasikara ireo biby arovana izay tena sarobidy amintsika », hoy io Minisitra io tao amin’ny pejin-tseraserany omaly. Ny DSI (Département des investigations spéciales) izay miara-misalahy amin’ny Biraon’ny Tonia mpampanoa lalàna ambony na « Bureau du Procureur Général no miandraikitra ny fiaraha-miasa amin’ny manam-pahefana Malagasy hahafahana miroso amin’ny fampodiana ireo biby naondrana tsy ara-dalàna, hoy hatrany ny tatitra. Andrasana izany ny fahatafaverenan’ireo harena voajanahary antsokosoko mba tsy ho sanatria ho tahaka ny trafikam-bolamena 73kg mahery tany Afrika Atsimo izay ny olona tafodin’ny Fitondrana Rajoelina fa ny volamena toa lasan’olona ambongadiny. Ny biby any Thaillande tsy tafaverina kanefa dia vao ny herinandro teo ihany koa no nahatrarana trafikana sokatra 400 be izao indray tany Moroni Comores, izay mbola asa iray hafa miandry ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny Fitsarana Malagasy.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT