Afera sy gejan’ny mafia ao amin’ny Jirama

734 tapitrisa Ar ny vola very ny 2020-2023 tamin’ny solika fotsiny


  • Alarobia 05 Novambra 2025

Miharihary tsikelikely ny lesoka goavana anatiny

ao amin'ny Jirama, ary mampahonena ny zava-misy. Ao anatin'ny tatitra navoakan'ny Fitsarana Tampony momba ny Kaonty, voamarika ny fatiantoka goavana mitentina 734 tapitrisa ariary teo anelanelan'ny taona 2020 sy 2023. Antony lehibe: fifampiraharahana miafina amin'ny solika sy tsy fisian'ny fanaraha-maso hentitra amin'ny fitantanana tahiry. Araka ny fanadihadiana nataon'ny mpitsara ara-bola, nisy tsy fitoviana lehibe teo amin'ny habetsahan'ny solika novidiana sy ny tena tonga na nampiasaina tao amin'ny toby famokarana herinaratra. Ny fividianana solika manodidina ny 125 000 litatra fuel-oil sy 48 000 litatra gasoil dia tsy misy fanazavana mazava, mampiseho fitantanana anatiny tsy mandeha amin'ny laoniny sy angon-drakitra tsy azo itokisana. Ireo fihoaram-pefy ireo dia manimba tanteraka ny fahombiazan'ny angovo eto amin'ny firenena. Maro amin'ireo toby famokarana no mampiseho fihinanana solika mihoatra ny fenitra ara-teknika, vokatry ny fanaraha-maso tsy voalamina tsara na ny tsikombakomba avo lenta. Tsy vao izao no voaresaka ny afera goavana, fifanarahana tsy mazava, fifanarahana mamatotra tsy mijery afatsy tombotsoana vondrona ara-toekerana goavana,… Vao ny resaka solika io, fa betsaka ireo andrika fambotriana sy kolikoly avo lenta manodidina ny Jirama. Zava-misy eto Madagasikara ny hoe : tsy arakaraka ny fifanarahana natao ny vokatra herinaratra omen’ireo orinasa tsy miankina sasany mpamatsy, fa ny vidiny sy vola loarana amin’ny Jirama dia mbola ny vidiny ao anaty taratasy. Raha 45MW ohatra no nifanarahana, dia 24MW no vokatra omena, saingy ny voasoratra ao anaty fifanarahana no aloha. Hatramin’ny Minisitra tao anatin’ny Fanjakana teo aloha no efa nivaky an’io. Nitanisa sy nilaza hiady amin’ny Mafia ingahy Andry Rajoelina raha nilaza fa raha 50citernes no nafarana, dia banga 8 na 10 citernes ny gazoala tonga, fa tsy sahy nikofoka mba tsy hilazana fa mpiray tsikombakomba na mety nanana trosa ara-bola na ara-moraly tamin’ny mpanao afera. Ny zavatra taka izao no ilàna fanadiovana sy fanavaozana. Ho sahy hiroso amin’ny tena fanadiovana mahomby ve ny Fanjakana vaovao ka hahavita hanenjana amin’ireo Vondrona goavana miezaka mifehy ny tontolon’ny angovo sy herinaratra eto ? Tsy midika ho fananganana ady fa mila mafy sy matanjaka any amin’ny tontolon’ny adihevitra sy fametrahana fifanarahana madio sy mangarahara ao anatin’ny tombotsoa iombonana na « win-win », fa tsy hambotry lava ny Malagasy. Betsaka ny sehatra stratejika tratry ny geja tahaka io mahazo ny Jirama io, ary mety henjana ny ady sy tolona manoloana ireo Vondrona ara-toekerana mifehy izany, fa dia anjaran’ny Fitondram-panjakana no mijery ny paikady mba hametrahana fitsipi-dalao madio hahafahan’ny toekarena Malagasy miaina sy miakatra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT