Afera Ravatomanga

sy ny SODIAT Olona 4 nidoboka am-ponja,


  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

2 arahi-maso ara-pitsarana,…

Niakatra fampanoavana teny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly na PAC (Pôle Anti-Corruption) ny raharaha manenjehana an’i Mamy Ravatomanga sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny vesatra dia mifandray amin’ny fanondranana letchis tamin’ny taona 2019–2020 sy ny famotsiam-bola hatramin’ny 2019 ka hatramin’ny 2026. Mikasika ilay raharaha anondranana letchis, dia mikasika vokatra avy eto Madagasikara nalefa tany Maorisy aloha, avy eo niondrana tany Eoropa. Ny vidiny mora teto an-toerana no nahazoan’ny vondrona tombony lehibe, tsy ara-drariny sy nisy kolikoly nilafika teo ambany ampihimamba raha ny ambangovangon’ny vesatra. Isan’ny nitory an’io mpandraharaha matanjaka io manodidina izany raha tsiahivina ny Transparency International. Vesatra faharoa ny famotsiam-bola, izay heverina fa ny vola azo tamin’io fanondranana tsy ara-dalàna io dia nodiovina ihany koa tao anatin’ireo orinasa sasany ao amin’ny Vondrona Sodiat. Ny tombony ara-bola dia voatondro ho nentin’ny vondrona hanamafisana ny orinasany sy ny tambajotra ara-barotra. Arakan y tapaky ny fampanoavana, mpitantana 8 voarohirohy tamin’ity afera iray ity, ka 4 nalefa vonjimaika eny Antanimora, 2 arahan’ny Fitsarana maso, 1 mbola hiatrika ny PAC amin’ny fotoana manaraka, 1, dia i Mamy Ravatomanga, Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona Sodiat, efa namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena. Tsara ny mampahatsiahy, fa nogiazan’ny Fanjakana Maorisianina ny orinasa miisa 41 mifamatotra amin’i Mamy Ravatomanga ny novambra 2025, raha nandray fanapahan-kevitra nangeja kaontim-bola 99 an’i Mamy Ravatomanga misy sora-bola voalaza fa teo amin’ny 88 miliara Ar ny Fanjakana Malagasy. Raha ny sora-bola mahasaringotra an’i Mamy Ravatomanga atsy amin’ny Nosy Maurice kosa, mahatratra hatrany amin’ny 20 miliara dolara, izay tena volabe tsy toko tsy forohana, izay inoana fa avy eto Madagasikara ny ankabeazany. Heverina araka izany fa mbola vao ampahany amin’ireo afera Mamy Ravatomanga itony niakatra fampanoavana ny faran’ny herinandro teo itony satria tena betsaka ireo vesatra mikasika ity mpandrahara matanjaka izay tazonina any amin’ny fonjan’i Melrose atsy amin’ny Nosy Maurice ity. Vao ny herinandro lasa teo moa ny Minisitry ny fitsarana Malagasy Rtoa Fanirisoa no nanamafy fa maro ireo loham-piampangana ity mpandraharaha ity sy olona maromaro. Voarohirohy amin’ny tambajotrana mafia amin’ny fanafenam-bola sy famotsiam-bola eran-tany. Nisy ny fakana vola avy eto Madagasikara, fa tafiditra tamin’ny tambazotra mpanao famotsim-bola eran-tany ihany koa, tafiditra amin’ny raharaha Boeing 777 Iranianina, nanao ampihimamba goavana tamin’ny sehatry ny lodisia sy ny lavanila ka isan’ny nitory azy ny Transparency International,… Ireo mpiara-miasa taminy aloha izany no manefa eto, raha miankina tanteraka amin’ny Nosy Maurice kosa ny ampahany lehibe. Ity farany izay mety higadra 10 hatramin’ny 20 taona raha ny tombatomban’ny mpahay lalàna Maorisianina, saingy mety hisy fitsimbadihana ihany koa !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT