Niparitaka ny vaovao, fa tapitra omaly ny
prise en charge » na fandraisana sy fikarakarana hoan’ny mpiasam-panjakana ao amin’ny Hopitaly Polyclinique Ilafy. Vokany, voaatery tsy maintsy mody izay rehetra mbola tavela mitsabo tena na dia mbola tsy salama aza. Misedra olana ka velon-taraina ireo mpiasam-panjakana izay mbola tokony hanohy fitsaboina ao amin’ity polyclinique Ilafy ity. Misy mihitsy aza ireo vehivavy bevohoka hiatrika fandidiana na ny « césarienne », ao ihany koa ireo aretina maro samihafa izay efa nangatahana « prise en charge », koa miandry fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra ny amin’ny antony nanakatonana azy ity ireo mpiasam-panjakana ary mangataka fandraisana antanana azy ireo, hoy ny antso avo. Tsara ny mampahatsiahy fa an’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ity Hopitaly isan’ny raitra eto Madagasikara ity. Mazava ho azy fa nahazo ny fifanarahana sy nahazo vahana tamin’ny Fanjakana tamin’ny fandraisana an-tanana ireo mpiasam-panjakana, fony fitondrana Rajoelina. Tapitra ve ny fifanarahana sa nofaranana noho ny fiovan’ny Fitondrana ? Inona no fepetra hafa mifanaraka amin’izany eo anatrehan’ny mety filàna fitsaboana eo amin’ny mpiasam-panjakana ? Andrasana ny mety ho fanampim-panazavana ! « Tokony havadika hopitalim-panjakana ny Polyclinique Ilafy, hoy ny Médecin kolonely Patrick Rakotomamonjy raha nivahiny tao amin'ny fandaharana Solanga an'i Ravoajanahary Johary omaly. Nilaza izy fa tokony ho afaka ampiasaina amin'ny tombontsoan' ny vahoaka izany, indrindra ireo fananana tsy azo tamin'ny ara-dalàna. "Isika tsy mpandrava, ny fananan'Andriamatoa Ravatomanga Mamy dia hapetraka eo ambanin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana", hoy ity Kolonely ity. Tsara ihany koa moa ny manamarika raha miverina amin’ny resaka « prise en charge », fa nisy ireo orinasa amin’ny sehatra ara-pahasalamana hafa nanana olana noho ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny vola fony fitondrana Rajoelina tany aloha raha tsy hilaza afatsy ny Institut Pasteur izay tsy nety nandray ireo « prise en charge » tamin’ny fitiliana nataony, noho ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny volany. Asa raha efa nilamina amin’izao ? Mazava ho azy fa marary ny tontolon’ny fahasalamana eto, eny fa hatramin’ny mpiasam-panjakana izay iantohan’ny Fanjakana aza misedra olana. Dia ahoana izany ny vahoaka madinika tsy manam-bola ? Ankinina amin’ny vintana sy ny anjara ? Midika fa mila fijerena akaiky sy fijerena lalina ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka tsy ho an’ny mpiasam-panjakana ihany fa ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.