Afera jet privé niditra tsy ara-dalàna

Efa votsotra i Ntsay, mbola ao Maurice Ravatomanga


  • Alakamisy 16 Oktobra 2025

Nisy omaly ny tafa tamin'ny Mpanao gazety

nataon'ny Praiminisitra "Intérim" ao Maurice Paul Béranger mahakasika ny fanadihadiana an'ilay Jet Privé nitondra ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian sy ny Mpandraharaha Mamy Ravatomanga, niditra tsy ara-dalàna tany Maurice ny alin’ny 11 oktobra. Nanambara fa efa vita ny fanadihadiana, ary ny alatsinainy ho avy izao no hambara ampahibemaso izany rehefa tonga ao an-toerana ny Praiminisitra Navin Ramgoolam izay mamita iraka any Angleterre. Nisy ny sazy ho an'ireo tompon'andraikitra ao an-toerana hoy izy tamin'ity raharaha ity, nanambarany ihany koa fa miisa 7 ireo olona tao anatiny izay ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga nombam-bady avy. Ny anton’ny fangatahana voalohany nomen'ny Mpanamory hoy izy dia ny mba hahafahan'ilay fiaramanidina miditra ny seranam-piaramanidina ao an-toerana ka resaka fahasalamana. Ny fanindroany resaka fizahan-tany izay mbola tsy neken’ireo tompon'andraikitra tao an-toerana ihany ary fahatelo farany mialoha ny hidiran'ny seranam-piaramanidina dia ny solika izay efa kely. Nanambara fa ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian no efa tsy ao an-toerana intsony fa ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga dia mbola ao an-toerana ary mipetraka ao amina teratany Malagasy. Nilaza ihany koa ny Praiminisitra "Intérim" Paul Béranger fa ireo mpisolo vava ny Mpandraharaha Mamy Ravatomanga dia nanao fangatahana mba hahafahan'ny olona arovany hiala ao Maurice omaly hariva na anio, ka raha tsisy antony mazava hitazomana azy dia avela miala ao an-toerana izy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT