Afera goavana, fanohintohinana ny filaminan’ny Firenena…

Sahirana Ravatomanga, voasambotra


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2025

i Mirana R, depiote 2 nosavaina trano

Nosamborina sy ny netina nakany amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na BC ny mpandritra na coordinatrice an’ny Antoko TGV Antokon’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina Rtoa Mirana Rajaonah, raha ny serasera nataon’ny Minisitry ny fanabeazana teo aloha Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle omaly. Voalaza fa nosavaina (perquisition) ihany koa ny tranon’ny Depiote IRMAR roa dia i Augustin Andriamananoro sy Lanto Rakotomanga. Isan’ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny IRMAR ireo. Ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo Rakotoniaina Narindra no namoaka ny « ordre de perquisition » raha ny taratasy mikasika ny fisavana ny tranon’i Augustin Andriamanoro. Ahiana ho mikotrika fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena na « atteinte à la sureté intérieur de l’Etat » ? Ny herinandro lasa teo rehefa nanomboka nivoaka ny fikatsahana hanao fanangonan-tsonia hanonganana an’i Andry Rajoelina no nanomboka nalaza ny anaran-dRtoa Mirana Rajaonah, Mpandrindra ny IRMAR, Tale misahana ny Fifandraisana amin'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny olom-boafidy.

IRAKA HANAKORONTANANA NY FANJAKANA? BE KOLIKOLY…
Voatonontonona ho nanao tsindry sy nanome baiko ireo depiote IRMAR tsy hanaiky hanao sonia. Nampanao « contrat » nanerena ireo depiote tsy hanaiky ny fanonganana an-dRajoelina fa raha tsy izany dia hesorina tsy ho solombavambahoaka ? Asa nisy resa-bola sy taminy ? Nitsimbadika ihany anefa ny rasa satria nahomby ny fanonganana, ka ny an’i Andry Rajoelina no nataony tonga aloha nandrava ny Antenimierampirenena araka ny andininy faha-60 amin’ny lalàmpanorenena, saingy tsy nitombina ny taratasy satria nolazaina fa natao teto Antananarivo kanefa izy tany an-tsesin-tany, tsy nisy fitomboka, voalaza ho tsy nakana hevitra tamin’ny Filohan’ny antenimierampirenena teo aloha,… Isan’ireo tanan-kavanan’i Andry Rajoelina tavela teto izany i Mirana Rajaonah. Mbola saika hampanaovina « mission » sy kajikajy politika ? Ankoatra izay, nentin’ireo nanatanteraka ny fisavana kosa ny mpiandry tanana iray sy ny mpiara miasa amin’i Lanto Rakotomanga izay nanatrika ny fisavana natao tamin’ny trano fonenany. Efa tsy eto io depiote io ? Nanjakazaka nanapatra ny fahefany, nahavita nampiasa mihitsy ny anaran’ny Antenimierampirenana nangoronan-karena, nanaovana afera maloto I Lanto Rakotomanga. Anisan’izany ny raharaha afera ala arovana tany Alaotra Mangoro izay nahasaringotra ity depiote ity, saingy vitavita ho azy teny satria olon’ny fitondrana tamin’izany ka tsy azo natao na inona na inona. Isan’ny nahatsiarovan’ny maro azy ny fahatrarana azy nitondra volabe tamin’ny baoritra teny Namontana ny jona 2015 saingy vitavita ho azy teny satria nahazo fitondrana ny volomboasary taty aoriana,… Mikasika an’i Augustin Andriamananoro indray dia isan’ny voatonontonona tamin’ny afera Boeing 777 ny tenany, teny amin’ny manodidina ny fonenany teny Faliarivo no voasambotra ilay karana anisan’ny voarohirohy, nahiana ho misy ifandraisany tamin’iny afera iny ny iraka nampanaovina azy sy ny Minisitry ny fitaterana iray teo aloha tany Iran nandritra ny fianianan’ny filohan’io Firenena io,… Ankoatra ireo, nisy ny loharanom-baovao nilaza omaly, fa niala tamin’ny trano nipetrahany tao Ankadilalana, ka nitaona entana ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola teo aloha Rtoa Rindra Hasimbelo,…
NY MATRETRE TAFATSOAKA, NY TOMPOMENAKELY TAVELA…
Asa misy ifandraisany amin’ireny ve ny fanenjehana sy fisavana? Sa ahiana ho mamatsy vola ny mety ho asa fanakorontanana ny Firenena taorian’ny fitsoahan’i Andry Rajoelina ireo olona ireo ? Sanatrian’ny vava ny hivoy fanenjehana ara-politika lava sy fifankahalana fa kosa lesona politika ny hoe : mila manao ny tsara fa tsy hieritreritra ho tsy maty manota sy tsy ho tratry ny aloka, misy fetrany ny setrasetra politika, misy fetrany ny kolikoly goavana,… Izao izao na ny heverina fa tena mafy be sy tsy azo atao na inona na inona toa an’Atoa Mamy Ravatomanga aza sahiranin’ny Fanjakana Maorisianina rehefa nitsoaka niala teto, tratry ny fanagiazana kaonty an-jatony tapitrisa dolara,… Tsy latsaky ny 640 tapitrisa dolara izany hoe any amin’ny 3200 miliara Ar no voalaza fa vola napetraka any amin’ny Banky ara-barotra Maorisianina, raha ny sorabola efa notaterin’ny fampahalalam-baovao. Heverina fa betsaka ny harena avy eto nentina any, mety ho giazan’ny firenen-kafa na koa mety hilamina sy ho afaka ilay mpandraharaha,… Ireo tompomenakely nisetrasetra, nanjakazaka tamin’ny afera maloto, nanao vava tsy ambina, ny mpanara-dia nofitahina tamin’ny koveta,… betsaka no tavela. Rajoelina milamina any am-pandosirana, mitavana ny harena azo tao anaty fitondrana. Dia ho toy izany foana ve ny fomba fanao politika eto ? Tena fotoan’ny fanovana izao !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT