Afera boeing nangina, tsy fantatra ny misy ireo 2 lahy,…

Tratra tao an-tranon’i Augustin A. ilay karana fa afenina mafy ?


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

Tapa-bolana eo izao ny raharaha Boeing 777 tafiditra anaty heloka iraisam-pirenena

mahasaringotra ny mpitondra Malagasy. Fiaramanidina 5 nolazaina fa hampiasaina eto Madagasikara, ka nangatahana laharana vonjimaika Malagasy « 5R », mba hahafahana manamboatra azy any Kenya, no nivadika lasa tany Cambodge avy eo nisidina nakany Iran. Ny Iranianina izay tratry ny ankivin’ny Amerikanina sy ny Tandrefana mba tsy afaka hividy sy hampiasa ny fiaramanidina sy ny teknolojia manodidina an’izany noho ity Firenena ity sokajiana miketrika asa fampihorohoroana, manitsakitsaka ny zon’olombelona,… Nifamahofaho teo, nolazaina fa voafitaka ny Fanjakana Malagasy, nesorina ny Minisitry ny fitaterana avy eo izy nesorina indray no miaro ny Filoha sy Praiminisitra ho tsy tafiditra sy tsy nahalala an’io,… Nifampiampanga ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) sy ny Minisitra. Nosamborina ilay teratany Indianina Khushwinder Singh sy ilay Malagasy antsoina hoe Andriamananarivo Rijasoa izay nolazaina fa nitantana ilay orinasa Udaan Potentials Ltd izay nangataka ny fahazoan-dàlana mikasika ireo fiaramanidina. Tsy fantatra intsony izay misy azy an’ireo hoe : natao aiza sy natao inona, ary ny loharanom-baovao avy ao anaty Fanjakana aza milaza an’io hoe : « Tsy misy mahafantatra na parquet na fonja hoe : aiza ireny olona roa ireny ». Nisy mpiasan’ny ACM roa nosamborina hatao sorona ? Nikorapaka ny olom-panjakana toy ny Filohan’ny Antenimierandoholona izay nijabaka tamin’ny filazana fa tsy nahalala azy raha tsy vao haingana, kanefa niparitaka ny sary sy video 6 taona lasa. Voasambotra teny Faliarivo Ampitatafika i Khushwinder Singh izay efa nandeha ny resaka sy ny feo fa tao amin’ny trano na manodidina ny tranon’ny depiote Augustin Andriamananoro. Tsy nisy fandisoana na fanamarinana hatreto. Efa notaterina teto nametrahana fanontaniana teto herinandro mahery izay hoe : misy ifandraisany ve ny dian’ity filoha lefitra andrim-panjakana ity nisolo tena ny Filoham-pirenena tany Iran niaraka tamin’ny Minisitra teo aloha Richard Randriamandranto ? Ny nahasamborana ilay karana teny Faliarivo Ampitatafika ? Ilay minisitra teo aloha izay voalaza fa notendrena ho Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar izay vao mainka mampiahiahy satria io orinasa io aza efa novonoina,…
« NAHOANA NO AMPANGININA ILAY RESAKA DEPIOTE !? »
« Ilay rangahy karana anie ka tany anaty tranona solombavambahoaka no traingo, ary ny « protocole » an’io depiote io amin’izao fotoana izao dia mifarirotra mihitsy satria ny antony dia tsotra satria hita lava io, ary raha hamarinina ny « caméra de surveillance » amin’ireny fiaramanidina ireny dia hita hoe iza no « protocole » maka an’io rangahy io sy mametraka azy satria ampiasian’ilay depiote izy maka an’io olona io. Ahitana an’izay mikimaky izay teny amin’ny seranam-piaramanidina. », hoy moa ny depiote Fidèle Razarapiera omaly tao amin’ny Miara-Manonja. Ity depiote ity izay nametra-panontaniana hoe : Maninona no tsy asiana resaka kanefa tao aminy no tratra ? Fa maninona no mangingina kanefa tany amin’ilay solombavambahoaka no voapaingotra? Nomarihiny fa ny karana no tena manao ny volamena : Antaninarenina, Analakely,… fa ilay miondrana mivoaka antsokosoko dia manan-talenta amin’izany. Lalantsara migodana amin’ny trafika i Dubai. Miala eto volamena, miverina eto PPN, Vary, motos, fiara,… Atsangano ilay vaomiera mpanao famotorana eo anivon’ny Antenimierampirenena mba hahafahana mahita ny marina, hoy ny depiote Fidèle Razarapiera. Inona indray no valin-kafatra ? Nahoana no tsy misy tohiny hatramin’izao ny raharaha Boeing 777 ? Aiza ilay resaka fanafarana FBI? Aiza ireo olona 2 nosamborina toa tonga dia nampanginina ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT