Misy manely amin'ny tambajotran-tserasera fa tafiditra amin'ny raharaha trafikana
boeing 777 miisa 5 ny orinasan'ny zanaky ny Filoham-pirenena any Dubaï. Naely tao anatin'izany fa nifandray tamin'ny Kaompania Iranianina Mahan Air. Ny zanaky ny Filoha izay tsaroana tsara fa ny Rainy Andry Rajoelina no niteny ampahibemaso ny septambra 2024 fa isan'ny nanamora ny fikarakarana ny fidiran'ny Emirates Airlines teto, ka nisian'ilay hoe: "isaorako ny zanako". "Démarcheur" amin'ny resaka fifanarahana mikasika fiaramanidina ny zanaky ny Filoha ? Ireny no nisy nampifandray tamin'ity aferana Boeing ity? Mazava loatra amin'ny maha Reny azy dia niditra an-tsehatra Rtoa Mialy Rajoelina, izay tohina manoloana ny filazàna fa tafiditra ao anatin'ny raharaha Boeing 777 ny orinasan'ny zanany ka hoy izy hoe "tsy maintsy endrikendrehana amin'ny zavatra tsy misy idirany ve ny zanany". Mora loatra, hoy izy, ny fanenjehana mahazo azy ireo, izay mitarika any amin'ny fankahalana sy ny fahafam-baraka. Rariny loatra izy raha miaro ny zanany! Nanaitra kosa ny fidirana an-tsehatry ny governemanta tamin'ny alalan'ny Mpitondra teny Rtoa Mara Donna izay nilaza fa manameloka tanteraka ny fitomboan’ny fanambarana manaratsy, manenjika manokana, ary vaovao diso miparitaka amin’ny tambajotra sosialy, izay lazaiGovernemanta fa manameloka tanteraka ny fitomboan’ny fanambarana manaratsy, fanafihana manokana, ary vaovao diso miparitaka amin’ny tambajotra sosialy, izay mikendry manokana ny Filohan’ny Repoblika sy ny fianakaviany, indrindra fa ny zanany. Nambara fa fanenjehana natao hanimbana an-tsitrapo sy hanakorontanana ny filaminan’ny firenena. Nolazaina fa tsy eken’ny Governemanta ny fanalam-baraka, fanimbana voninahitra, fanendrikendrehana, ary fampielezana vaovao diso ka nanambarana fa tsy tokony hisy fandeferana amin’ny fihetsika toy izany. Milaza Rtoa Mara Donna fa maivan-danja ny fanoherana eto Madagasikara ka lasa any anaty fanelezana tsaho sisa ny fanehoan-kevitra. Nambara fa misy kajikajy politika entina hanankorontana. Tafiditra amin’izany ny fikasana tsy hahatanteraka ny fihaonana an-tampon’ny « SADC » hatao eo Madagasikara.
MIFANGARO NY RAHARAHAM-PANJAKANA SY AFERAM-PIANANKAVIANA
Manaitra hatrany ny fihetsiky ny governemanta, izay misy endrika mampiharihary ny fampifangaroana ny raharaham-panjakana (Affaire d'État) sy ny aferam-pianankaviana (Affaire Familiale). Ny taratasy nosoratan-dRtoa Mara Donna ihany no milaza fa manan-jo feno ny olona voadona amin’izany hanatitra fitoriana amin’ny andrim-panjakana tompon’andraikitra, ary manamafy fa tsy azo ifampiraharahana ny fiarovana ny fiainana manokana, ny fahamendrehana, ary ny voninahitry ny olom-pirenena tsirairay, anisan’izany ny fianakavian’ny Filoham-pirenena" ka inona no tokony hidiran'ny Governemanta amin'ny zanaky ny Filoha misy manenjika sy manala baraka fa tsy zo omen'ny lalana hitory no tanterahana? Milaza handray andraikitra ny governemanta ho fanajana ny tany tan-dalana. Hiroso amin'ny fanenjehana satria nisy nanala baraka ny zanaky ny Filoha? Ny governemanta no nisy nanala baraka sa ny zanaky ny Filoha? Ho a'ny mpanao politika sy mpanara-baovao dia nametraka Fanontaniana hatrany: hoe inona no tena andraikitry ny zanaky ny filoha eo amin'ny fitantanana ny firenena? Lazaina fa ampidirina anaty fanenjehana sy ady hevitra tsy rariny ny zanaky ny filoha. Ny fampidirana azy ireo mivantana na ankolaka amin'ny aferam-panjakana amin'ny fomba tsy mazava sy tsy mangarahara anefa dia mety hiteraka resaka sy firesahana momba azy ireo mety hitombina ary mety tsy hitombina. Miharihary ny fahitana azy ireo amin'ny sehatra diplaomatika, stratejika ary politika. Firifiry ireo raharaha sy dia ara-panjakana ofisialy nahitana ny zanaky ny Filoha na teto na tany ivelany kanefa izy ireo tsy manana andraikitra ofisialy ? Raha Fanjakana Repoblikana marina fa tsy Fitantanana mpanjaka ifandimbiasana, tsy maintsy misy mangarahara sy fanendrena ofisialy ho an’izay rehetra tafiditra amin’ny raharaha-panjakana. Tsy vitan'ny fanaboriboriana resaka hoe: "mandray andraikitra ny zanako". Lasa misy fanomezana vahana sy tombotsoa mampiahy na "conflit d'intérêt" izay tafiditra anaty sokajin'ny tsy fisiana Fanjakana tsara tantana na "bonne gouvernance" sy kolikoly. Tsy hoe manome rariny ny fanenjehana ny zanaky ny Filoha sanatrian'ny vava fa kosa tokony hiainga any ambony ilay "tan-dalàna" satria mbola Repoblika isika hatreto fa tsy Fanjakan'ny Andriamanjaka misy "prince héritier" ka manana adidy amin'izany i Andry Rajoelina, hialana amin'ny resabe sy ahiahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.