Hiakatra fampanoavana anio 22 aogositra ny raharaha boeing 777
raha tsy misy ny fiovana. Nialohavana famotorana nataon’ireo iraka avy amin’ny FBI (Federal Bureau of Investigation) ka voalaza fa naharitra 2 andro ny fakana am-bavany ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Valery Ramonjavelo. Nampifanatrehina ireo rehetra voatana amin'ity raharaha ity omaly, raha ny fizaram-baovaon’i Patrick Raharimanana. Anio zoma manomboka amin’ny 8ora sy sasany kosa no voafaritra fa handehanan’ny raharaha eny amin’ny fampanoavana. Mpisan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) miisa 4 no anisan’ny voatana : Directeur de la supervision de la sécurité DSE, miandraikitra ny lafin'ny teknika rehetra ao amin'ny ACM ; Inspecteur, nijery ireo fiaramanidina tany Chine ; 2 agents, nanome ilay code transpondeur nahafahan'ireo fiaramanidina Boeing 777 miisa 5 ireo nanidina. Misy 2 kosa, ilay Karana sy Malagasy tompon'ny Orinasa UDAAN, izay efa fantatra hatry ny ela. Voatana ao amin'ny École Nationale Supérieure de la Police ENSP Ivato avokoa izy 6 ireo. Niampy olona 11 avy amin'ny Udaan ireo : Gardien, secrétaire, garde du corps, mpiasan'ny Orinasa UDAAN, ankoatran'ilay Karana sy Gasy tompon'ny Orinasa, dia voatana ao amin'ny ENSP Ivato avokoa, ary atolotra ny Fampanoavana anio zoma 22 Aogositra 2025, miaraka amin'ny mpiasan'ny ACM miisa 4. Miisa 17 izany hatreto ireo voatana vonjimaika amin'ity raharaha ity. Anisan'ny voalaza fa ampanantsoina kosa, ho vavolombelona sy fanamarinana ireo mpiasan'ny ACM : Secrétaire DSE, miisa 2 ; Agents 3, mpanamboatra Code transpondeur ; ilay inspecteur stagiaire, niaraka tany Chine nijery Ilay fiaramanidina. Mbola tsy ananana vaovao momba an'i Minisitra sy Tale Jeneraly satria mbola mandeha amin'izao ny fifanatrehana, hoy ny vaovao omaly hariva. Ireo voatana rehetra, ny minisitra, DG dia samy nahazo IST na tsy fahafahana mivoaka an'i Madagasikara avokoa, hoy ny fanamarihana. Mety tsy hijanona amin’ireo fa hiakatra ambony kokoa ity raharaha ity raha ny fanamarihan’i Serge Zafimahova tamin’ny fahitalavitra iray omaly. Tena vonona hizaka irery ny raharaha ve ny Minisitra ny fitaterana izay nesorina? Ho sahirana ny Minisitra teo aloha ka tokony hitandrina, indrindra fa tena voamarina fa mifandraika amin’ny heloka henjehin’ny amerikanina ny raharaha, raha ny nambarany. Fitsarana amerikanina ity resaka boeing ity, fa tsy etsy Anosy, ka ho vitavitan’ny fanarontsaronana na baiko, raha ny fanehoan-kevitr’i Serge Zafimahova.
Mbola betsaka moa ny zavatra mifamahofaho tao anatin’ity, mbola nisy ny firaisankinan’ny governemanta vao nirefotra ny raharaha. Niara-nanao fanambarana tamin’i Valery Ramonjavelo ireo minisitra misahana ny filaminana, ny tonia mpampanoa lalàna. Nivadika avy eo ny rasa, ka io Minisitra teo aloha io no toa natao tsakin’ady saingy niaro ireo olona teo amboniny dia ny Filoha sy Praiminisitra. Dia niafara tamin’ny fanesorana olona 25 tao amin’ny Minisitera izay ny Praiminisitra no misahana azy…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.