Niampy iray indray ireo olona nampidrina any am-ponja manahakasika ny boadeerozy any amin’iny faritra Anôsy iny. Ny fiandohan’ny herinandro teo iny raha mbola nanantena ny tsy hoanisan’ireo nahihina fa afa madiodio ilay tale-paritra kanjo nosamborina nanaovana fanahadihadiana
. Taorian’ny fakana am-bava azy nampidirina any am-ponja vonjimaika izy ,nanampy ireo namany enina efa voatazona. Marihina fa tsy tao an-toerana ity tale-paritra ity tamin’ny fotoana nisamborana ireo namany fa andro vitsivitsy nahatongavany tao an-toerana no nampidirana azy. Ity talem-paritra ity dia efa nosoloina ary miandry ny fahatongavan’izay ho mpandimby azy ny fianakaviamben’ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana sy ny ala any an-toerana. Mahakasika ilay teratany Sinoa tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina saika hanondrana tangoaraky na « corail de mer » 60kg tao anaty valiziny kosa dia re izao fa mandeha ny fanelanelanana ataon’ireo andian’olona milaza ho mahitahita. Mahakasika ilay entana nogiazina, tamin’ny fanahadihadiana natao fantatra fa tsy hita ny nanjavonan’ilay entana. Raha ny tokony ho izy dia giazina amin’ny toerana voaro ary ny fanjakana tompon’andraikitra tandrify izany no mahalala zay tokony hanaovana azy. Amin’izao fotoana resabe any Anôsy any ny nanjavonan’izany tangoaraky izany. Takian’ny mponina ny hanaovana fanahadihadiana ireo olona izay heverina fa nanodina an-kolaka ity harem-pirenena efa nogiazina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.