Misy ampahany marina ary misy ny tsy marina manoloana ilay ampamoaka mahakasika ny Tale Jeneralin’ny BNGR Jeneraly Elack Olivier Andriankaja momba ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa.
Tsy marina ilay hoe valo volana fa eo amin’ny telo volana eo no tsy nandray vola ny BNGRC, hoy ity tompon’andraikitra ity. Sahiko tenenina tsy nanodikodim-bola ny tenako, ary tsy notezaina hangalatra aho, hoy izy. Izao no tokony ho fantatr’ireny olona ireny ho porofon’izany dia ny fanaovana tatitra isam-baratongany mialohan’ny nisehoan’iny resaka iny. Tsisy zavatra afeniko, tsy nangala-bola aho na ny ariary aza, fa ny BNGRC dia efa telo volana no tsy nandray vola. Manana sata vaovao “Etablissement public à caractère administrarif” ny BNGRC ka be dia be ny hatrehany. Be dia be ny fanavaozana, ka tsy ny BNGRC ihany fa ho an’ny Minisitera isan-karazany, dia be dia be ny pitsopitson-javatra sy lalana alehan’ny dosie. Taloha nifangaro voraka tao amin’ny BNGRC ny vola fampiodinan-draharaha, ny karama,… Tsy maintsy hamantatra ny olona nanao an’ireny aho, ary ny sariko no ampiasaina amin’ilay kaonty Facebook hoe BNGRC Interne, izay tsy nahazoana alalana avy amiko, hoy ny jeneraly Elack Olivier. Zavatra mamoafady, ary tsy ara-dalàna raha ny sariko no soketaina ho nanao ilay kaonty, hoy ity Jeneraly ity.
HO TAPITRA HATREO VE ?
Maro moa ny karazana ampamoaka nataon’ilay kaonty “BNGRC Interne” hatramin’ny resaka fiainana manokana, ny resaka karama tsy azo, fividianana fiara raitra vaovao matetika, ny kiantranoantrano amin’ny fampidirana mpiasa, ny fialan’ny Chef personnel noho ny tsy rariny,… araka ny voalazan’ny kaonty io. Nifantoka bebe kokoa tany amin’ny resaka karama sy olana ara-bola kosa ny valin-kafatra sy fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC. Nanao ny fiarovan-tenany tamin’ny haino aman-jery ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, toy ny nataon’ny Minisitry ny atitany tamin’ny raharaha “Ecran plat” ka asa na hijanona eo izany ity resaka ity, na mety hisy ny karazana fitoriana ataon’ireo nanao ampamoaka raha tena mitombina ny zavatra navoaka na hifarana eo ny raharaha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.