minisitra sy mpisolovava…
Nafanafana tato anatin’ny andro vitsy ny ady ara-tserasera mifandraika amin’ny raharaha ara-pitsarana, indrindra taorian’ilay tranga iray nalaza, fandroahana olona tamin’ny taniny any Avaratry ny Nosy. Niditra an-tsehatra ny minisitra iray izay zava-dehibe ny fanehoany ampahibemaso, raha nilaza fa misy dingana tsy tomombana ny fanalana olona tamin’ny taniny, ka averina amin’ny tranony aloha ny lasibatra, mandra-pisian’ny dingana fanesorana vaovao raha hisy. Nivoitra ihany koa ny fanehoana fa tsy mbola nisy Fanjakana teto nanomboka ny 1896 na ny 1960 sahy namerina ny tany nalain’ny mpanjanantany amin’ny Fanjakana Malagasy, izay tena manan-danja ho an’i Madagasikara. Noresahan’io Minisitra io ihany koa ny raharaha hafa, izay nanononany ny anaran’ny mpisolovava iray ampahibemaso izay nambarany fa nanonontonona ny anarany tamin’ny tambajotran-tserasera. Raha ny fantatra sy ny hita tamin’ny valan-dresaka mikasika ny raharaha fifanolanana eo amin’ny samy teratany vahiny ao Nosy Be ny 14 septambra 2026 lasa teo, dia fankasitrahana amin’ny ezaka vitany amin’ny resaka ady amin’ny halatra tany no nisy, ary nanaovana antso avo tamin’ilay minisitra mba hijery akaiky ilay raharaha iray satria betsaka ny heveriny fa tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna, kanefa mety tsy tena mipaka amin’ny minisitra ny tena marina. Nisy fanazavana nataon’ilay mpisolovava tamin’io 14 septambra io, fa nandritra ny Fitsarana ny 27 jolay 2023, dia niteny tao anatin’ny « Audience » ny vehivavy vazaha iray fa « afaka miantso ny Minisitra aho izao dia izao raha ilaina » ary voarakitra anatin’ny « plumitif » io, izay toa manamafy sy maneho fa afaka nanao tsindry bokotra niainga avy tamin’ny olona ambony tamin’izany fotoana izany ny ankilany, saingy fahadisoana tamin’ilay filazam-baovao an’habaka nanonona ny anaran’ny Minisitra iray ankehitriny no toa lasa nibahan-toerana, na efa nisy fanintsiana sy famafana izany, raha ny fantatra. Voatonontonona imasom-bahoaka ny anaran’ilay mpisolovava ary toa tratry ny fandrahonana mivantana na ankolaka aza toy ny filazana fa « afaka misambotra », ka asa izay mety hataon’ny holafitry ny mpisolovava ? Nitsimbadika any amin’ny resaka fahadisoana tsy nahy teo amin’ilay fampahalalam-baovao ve ny resaka fa tsy ilay tena votoatiny sa misy manana tombotsoa amin’ny fambolena fifandirana teo amin’ilay Minisitra sy ny mpisolovava na koa tena iniana atsimbadika ny raharaha? Misy ifandraisany amin’ny hoe : misy tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny fananan-tany teo aloha izay manana andraikitra ambony amina mininisitera iray ankehitriny voatonontonona ? Asa na fifandrifian-javatra ihany koa fa nihazakazaka ihany koa ny famoahana sarina mpitsara ambony, mpisolovava,… maro tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, izay mety misy ny fanakianana tena mitombona izay mila jerena sy ahitsy eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana izay maha be resaka hatrizay, fa mety hisy ihany koa ny fanenjehana tsy ara-drariny….
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.