Afera 11 miliara CNaPS-SMGD atolotra ny PAC anio

Olona ambony maro tazonina, tsy hita


  • Alakamisy 13 Novambra 2025

i Naina A, voarohirohy ny vadiny…

Mihazakazaka ny raharaha fanadihadiana mikasika ireo afera ara-bola sy heloka ara-toekarena samihafa niseho teto Madagasikara tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina. Eo ny afera Rinah Rakotomanga mikasika ny Madagascar Airlines, SMMC,... fa mafana ihany koa ny raharaha 11 miliara Ar nindramin'ny CUA tamin'ny alalan'ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digital), izay hatolotra ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC anion y dosie. Nohadihadiana sy nataon'ny Bianco andrimaso nanomboka omaly ny Tale Jeneralin'ny CNaPS teo aloha Mamy Rakotondraibe, ny Tale Jeneralin'ny SMGD Thierry Andriamananony. Nisy fotoana nampidirina am-ponja vonjimaika ny Tale Jeneralin'ny CNaPS teo aloha fony Fanjakana Rajoelina, saingy nivoaka ary niverina niasa teo anivon'ny Filankevi-pitantanan'ny Air Madagascar. Ity orinasa ity izay nakana vola tao amin’ny CNaPS ihany koa. Vao tsy ela no tazana tamin'ny fifampidinihana tamin'ny Praiminisitra mikasika ny fanarenana ny Kaompania Air Madagascar sy Madagascar Airlines ny tenany, saingy io voapaingotra io. Nampanantsoina ihany koa ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo Harilala Ramanantsoa, ary voatazona nanomboka ny talata teo. Hatramin'ny vadin'ny Ben'ny tanàna teo aloha Naina Andriantsitohaina dia Rtoa Claudia Pichler Andriantsitohaina aza dia tafiditra lalina sy voarohirohy ao anatin’ny raharaha. Notazonina 48ora nanomboka ny alahady lasa teo, ka nampitomboina 72ora indray izany avy eo. Tsy hita popoka kosa ny Ben'ny tanàna sady minisitra teo aloha Naina Andriantsitohaina. "Tsy nangalatra aho. Vonona aho hanazava sy hanome ny antontan-taratasy rehetra, na tamin’ny naha minisitra ahy, na tamin’ny naha ben’ny tanàna ahy", hoy i Naina Andriantsitohaina, rehefa nanambara ampahibemaso ny fisintonany tanteraka eo amin'ny sehatra politika eto Madagasikara vao tsy ela. Izay izay isan’ny namoahana IST na "Interdiction de sortie du territoire". Mbola eto izy sa tafavoaka an'i Madagasikara ?
INONA NO VOKATRA AZO TAMIN’NY 11 MILIARA AR ?
Raha hiverenana, tamin'ny febroary 2021 no nisy fifanarahana findramam-bola 11 miliara Ar nataon'ny CUA tamin'ny CNaPS. Ny 7 novambra teo no nilazan'ny Tale Jeneralin'ny CNaPS ankehitriny Vimbina Rahaingonjatovo, fa mbola tsy tafaverina manontolo hatramin’izao, ka nanapa-kevitra haka 100% ny SMGD araka ny fahefany CNaPS. Nifanarahana fa averina anatin’ny 60 volana miaraka amin’ny zanany 7, saingy hatramin'ny Aprily 2024 no nandoa vola farany, ka 5,880 miliara mahery no voaverina, ny ambiny tsy mbola voaloa 7,187 Miliara Ar. Henjana izany volabe 11 miliara izany, saingy tsy tena hita izay vokatra sy asa nivaingana ho an’ny Kaominina Antananarivo, izay manamafy ny tsy fangaraharahana sy ny ahiahina kolikoly avo lenta. Andrasana izay havoaky ny PAC anio.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

Hijery ny tohiny
FTT