Tra-tehaky ny Polisin'ny FIP Toliara tao Andaboly ny lehilahy iray 28 taona afak’omaly 20 febroary raha lavon'ny
balan'ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisarian’i Sakaraha tao amin'ny fari-piadidiany kosa ny lehilahy iray hafa omaly 21 febroary rehefa voaroiroy tamin’ny resaka vono olona. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy trangana vono olona niseho tao amin'ny fokontany Antsokay, 10km miala ny tananan'i Sakaraha ny 10 febroary teo. Nampandre ny Polisy miasa any an-toerana moa ny havan’ireo niharam-boina nilaza ny zava-nisy. Natao ny fikarohana ka fantatra fa lasa nandositra tany Toliara ny iray tamin'ireo nahavanon-doza. Ny marainan'ny 20 febroary teo, nandritra ny sakana nataon'ny Polisin'ny FIP no tra-tehaka ny lehilahy iray izay tena tompon’antoka tamin’ity volo olona ity. Izy indray avy eo no nanoro ny namany iray hafa izay niara-nisalahy taminy nanao izany asa ratsy izany. Ity farany moa izay efa niafina tany anaty ala tao amin'ny toeram-pamboleny ihany. Omaly 21 febroary dia niroso tamin'ny fisamborana ireo Polisy. Vantany vao nahita ireo mpitandro ny filaminana moa ity farany dia nampiasa ny basy vita gasy teny aminy.Raikitra ny fifampitifirana noho izany ka lavon'ny balan'ny Polisy izy. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa ady tany no antony namonoan'izy ireo ilay olona. Dadatoany ihany no namono io olona io, izany hoe : zanak'ababavin'ilay azo sambo-belona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.