ADY TANY ETSY AMPEFILOHA

Navoakan’ny vadintany ny entan’ireo fianakaviana 20 isa


  • Talata 16 Aprily 2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

amin’ilay tany 2 ara etsy Ampefiloha ambadiky ny CNAPS. Tena tsy nisangy tokoa mantsy ilay vadintany nanome 48 ora azy ireo nanomboka ny Sabotsy teo fa namoaka ny entany rehetra teny ivelany omaly Alatsinainy 15 Aprily no sady namefy ny tananany ihany koa. Raha araka ny vaovao azon’izy ireo dia toa hoe : resy teny anivon’ny tribonaly izy ireo rehefa niady nanomboka tamin’ny taona 2003. Tanim-panjakana io tany 2 ara misy ny tranon’izy ireo io raha tsiahivina ary efa nangatahiny. 50 taona ny nanajariana izany toerana izany izy ireo. Nanomboka tamin’io taona 2003 io anefa dia nisy olona nilaza ho tena tompon’ny tany ary manana taratasy ara-dalana. Raha araka ny filazan’ny mponina dia olona eo akaikiny ihany io milaza ho tompon’ny tany ankehitriny io. Very fanahy mbola velona izy ireo vokatr’izany. Hatramin’io omaly Alatsinainy io mantsy dia voatery nitady izay toerana handrian’ny lohany aloha izy ireo mandrapisian’ny vahaolana maharitra. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky izao ady sarotra lalovany izao ireo mponina. Nilaza moa ireo farany fa niezaka ny nanohitra ihany saingy tsy afa-nanoatra noho ny fisian’ny gros bras na be sandry tonga teny an-toerana.
Pati Legende : Tahaka izao ilay tanana nofefena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT