Actualités

Ady tany eny Ambohimangakely Narodan’ny kaominina ilay vavahady


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Mitohy hatrany ilay raharaha ady tany eny amin’ny Fokontany Andranovao, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely.

 

 

 

Taorian’ny nidinan’ny kaominina teny an-toerana nanao ny fanadihadiana mikasika ilay lalam-pokonolona nisy namefy mantsy dia fantatra fa narodan’izy ireo ilay vavahady namefen’ireo tompon’ny tany vaovao ilay lalam-pokonolona. Raha tsiahivina kely dia olona 150 eo ho eo no nampiasa tsy an-kiato io lalana io isan’andro efa an-taonany maro , fony izy mbola an’ilay pere Jesuit. Taty aoriana anefa dia lasana olon-kafa ity tany ity izay nilaza fa azy hatramin’io lalam-pokonolona io satria tafiditra ao anatin’ny refin-taniny. Raha araka ny fanazavan’ny solontenan’ireo fokonolona anefa dia tafiditra ao anatin’ny sarin-tany fa efa lalam-pokonolona hatramin’izay io lalana io ka hiroso amin’ny fikarohana izany ihany koa ny kaominina. Tsiahivina moa fa lasa manodidina lavitra be ireo mponina ao Andranovao mampiasa io lalana io teo aloha teo vokatr’izay famefena ny lalany izay. Nisy tamin’izy ireo ihany koa no nitaraina ho nampandoavina vola vao afaka nampiasa io lalana io nefa mpanasa lamba handeha hamonjy renirano ny ankamaroany, mikarama hanasa lamba. Tsy marina moa hoy hatrany ireo fokonolona ao an-toerana ny filazan’ny haino aman-jery iray fa nandeha nanakorontana izy ireo raha nitaky ny tokony hanokafana ny lalany izay natrehin’ny kaominina Ambohimangakely.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT