Actualités

Ady tany eny Ambohimamory Manohana ny tompon-tany ireo mpilalao baolina


  • Alakamisy 19 Oktobra 2017

Tsy mazava ny fihetsiky ny lehiben’ny fokontanin’Ambohimamory sy ny ben’ny tananan’Andranonahoatra, hoy ny mpisolovava ny tompon’ny ampahan-tany mitondra ny anarana hoe “La réunion” izay mirefy 9273 m2 etsy Ambohimamory.

Tamin’ny fifanatrehana nataon’ny tompon-tany, Edmond Randriamanantena, sy ny lehiben’ny fokontany miaraka amin’ireo andian’olona milaza azy ireo ho tompon’ny tany ny volana septambra teo, hoy ity mpisolovava ity, dia niaiky ilay ben’ny tanàna fa ara-dalàna daholo ny taratasy manamarina fa an’i Edmond Randriamanantena, ny tany. Amin’izao fotoana izao anefa dia ity ben’ny tanàna ity indray no niaraka nametraka taratasy tany amin’ny fitsarana ho fangatahana onitra sy fanalana ny tompon’ny tany amin’ny taniny. Ireo mpilalao baolina kitra sy lavalava aza, hoy ity mpisolovava ity, dia nanao taratasy mihitsy fa manaiky ny famerenana tany amin’ny tompon’ny tany no sady nisaotra tamin’ny fampindramana ny tany. Ny fitsarana koa dia efa nanaiky fa ara-dalàna ny taratasy rehetra maha tompon’ny tany ny olona arovan’ity mpisolovava ity, raha ny nambarany. Mangataka ny anatsaharan’ilay lehiben’ny fokontany sy ny ben’ny tanànan’Andranonahoatra ny fibodoana tanin’olona, noho izany, ity mpisolovava ity ary nilaza fa tsy maintsy hiroso amin’ny famefena ny tany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT