Ady tany ao Nosy Be_Ahiahina kolikoly avo lenta

Mpikajy ny fananantany tsy mety manatanteraka didy


  • Alarobia 15 Mey 2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

isiana fifanolanana mikasika ny tany "Issabhay" manana titra ara-dalàna TF N°15119-BO mirefy 1Ha 33 A 88 Ca, izay nisy nahavita taratasy fizakan-tany ny ampahany. Tonga hatrany amin’ny Minisitry ny Fitsarana ny raharaha taorian’ny fitarainana nataon’ny voalaza fa tompon’ny tany, ka nisy ny vokatra izay nisaorain’izy ireo ny fandraisan’andraikitry ny fitsarana. Araka ny vaovao voaray mantsy, dia nahanton’ny Fitsarana ilay fizakantany azon’ny andaniny ny taona 2015, izay mikasika tany mirefy 37A 00 Ca, ambaran’ireto ankilany fa tsy ara-dalàna, ary fototry ny disadisa. Misy anefa ny didy maniraka ny Mpikajy ny fananantany hanoratra ilay tany ao anatin’ny boky, izay marihina fa tsy misy fandravana didy, hoy ireo manamafy fa tena tompon’ny tany. Mahagaga azy ireo anefa ny tsy fanatanterahan’ny Mpikajy ny fananantany ny didy miisa roa, kanefa nolavin’ny Fitsarana ny « tierce opposition » nataon'io Mpikajy io, ka misy ny fanamarihana fa tsy tokony hitanila amin’ny didy raisina sy fanaovana ny asany, ary tokony hanaraka ny baikon'ny Lehiben'ny fitantanan-draharaham-panjakana ny Mpikajy ny fananantany, araka ny andininy faha-65 ao anatin’ny lalàmpanorenana. Miantso ny hisian’ny fandraisana fepetra hentitra eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa tsy fanatanterahana didim-pitsarana noho izany ireo milaza fa tena tompon’ny tany, izay mahatsapa, fa misy tambajotra matanjaka sy ahiana ho misy kolikoly avo lenta matoa misy fahasahiana mihoampampana. Tondroin’izy ireo ho niandany indray amin’ilay olona nahazo ny tany ambaran’izy ireo fa tamin’ny fomba tsy ara-dalàna noho izany ilay mpikajy ny fananantany, ary ambaran’izy izy ireo fa nahasahy nilaza, fa tokony hifampiraharaha ny tompon’ny tany, sy ilay ambaran’izy ireo fa nangalatra ny tany tamin’ny fomba tsy mazava, fa samy tokony hahazo ny anjarany ny « Vadibe » sy ny « Vadikely ». Voalaza ihany koa aza fa efa nisy fitakiana vola indroa nisesy tamin’ny tompon’ny tany dia 200 tapitrisa Ar ny voalohany, avy eo 100 tapitrisa Ar ny faharoa tamin’ny volana jona 2023, izay voalaza fa karazana onitra fanonerana ho an’ilay nahazo ny ampahany tany tamin’ny fomba tsy mazava. Notarerin’ny fampahalalam-baovao iray omaly aza moa, mirehareha ho manana mpiaro ao amin’ny Fitsarana Tampony ilay mpikajy ny fananantany ka antony hahasahiany tsy manatanteraka didy. Efa tena tambajotra goavana sy kolikoly avo lenta tokoa ve no misy amin’ny resaka ady tany sy halatra tany ao Nosy Be ka hatramin’ny didim-pitsarana aza misy mahasahy manohitra ? Hiandrasana fidirana an-tsehatry ny Fanjakana foibe toy ny teny Isahafa Sabotsy Namehana vao hilamina ? Andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny andaniny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT