Actualités

Ady tany ao Ambodisaina Tanandava Ny fitsarana tsy vita, efa amidy 16.000 Ar sahady ny m˛


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Nanao fivoriana nifanazavana ireo fokonolona notarihan’ny fikambanana “Miaramita” sy ny fikambanambe “F.T.M”, sy ireo milaza ho iraky ny tompon-tany notarihan’Atoa Ratsimaloto James.

Fihaonana natao ny alahady tolakandro teo tao Ambodisaina Tanandava. Nandritra izany no nahalalana, fa tany mbola miady sy miandry didim-pitsarana dia efa amidy 16.000Ar sahady ny M² amin’ireto fokonolona lazaina fa mibodo toerana sy miditra an-keriny. Nandritra ity fihaonana ity no nilazan’Atoa Ratsimaloto James tamin’ireto fokonolona ireto, fa “atody miady am-bato ianareo amin’izao raharaha izao, ka ny tsara aminareo dia ny mifanaraka amin’ny tompon-tany ihany…”. Raha ny voalazan’ny “certificat juridique” an’ity tany 47ha titre 8558-BA ao Tsarakofafa Tanandava Toamasina II ity, dia Atoa Lemena Jean De Dieu mpanamory fiaramanidina no tompony. Ny tany hamidy ity anefa raha ny voalazan’ny saritany eo anivon’ny fananan-tany dia Ambodisaina Tanandava. Ity hivarotra ny tany mbola miandry didim-pitsarana ity dia ny anabavin’Atoa Lemena, izay tsy fantatra mazava ny fahazoan-dalany noho ny tsy fisian’ny taratasy naseho ny fokonolona milaza izany. Vokatr’io olana io dia milaza ny hiandry ny didim-pitsarana ireto fokonolona ireto vao mieritreritra ny hifanaraka amin’ireto “tompon-tany” raha misy ny fahareseny satria mihevitra ireto mponina ireto fa “bizina avo lenta” izao raharaha izao noho ny fisian’ity tovolahy milaza ho filoham-pikambanana niara-dia tamin’ireo hoe “tompon-tany” ity, milaza fa afaka mikarakara ny antontan-taratasy rehetra ho an’ireo manaiky hividy ny tany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT