Actualités

Ady mivady nitera-doza Niara-maty tao anaty rano izy mianaka


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Zava-doza no niseho teny amin’ny reniranon’Ikopa Ambohimanambola, akaikin’ny Hotely Le Hintsy ny takarivan’ny alatsinainy 23 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora.

 

 Olona mianaka no niara-maty dia i Rolland, 33 taona  sy Stéphanie zanany vavikely vao herintaona monja, natelin’ny rano teny an-toerana. Telo mianaka izy ireo no niaraka, izay mpivady sy ilay zanany vavy kely. Tsy fantatra ny anton-diany teny amoron-drano amin’ny andro hariva be izay lavidavitra kely ny fonenany ao Amoronankona, kaominina Ambohimangakely.

Nifamaly

Re kosa fa nisy ny fifamaliana teo amin’ilay ramatoa sy ity vadiny namoy ny ainy ity, ka voalaza fa nifanosika teny amoron-drano izy telo mianaka ireo. Latsaka tany anaty rano ilay lehilahy sy ny zanany vavy, ka nilentika, ary efa difotra sy tsy tazana intsony vao nikorapaka niantso ny olona ilay ramatoa. Niezaka namonjy teny amoron-drano nizaha ny zava-misy ny fianakaviana, avy eo niantso ny mpamonjy voina. Raikitra ny fizahana, ka tao anatin’ny 15 minitra vao hita izy mianaka, saingy efa vatana mangatsiaka sisa no nakarina avy tao anaty rano. Tsy voafaritra ny olana nisy teo amin’ity fianakaviana kely ity, izay niteraka famoizana ain’olona roa be izao. Nanome tsiny ilay ramatoa ny olona nahita sy nandre ny vaovao. Nahoana no tonga hatrany amin’ny fandatsahana aina tahaka izao ? Vady sy zanaky ny tena vao herintaona monja fa tsy mba olona lavidavitra akory. Nampalahelo sy nahonena ny nahita ilay zazavavikely tsy manan-tsiny. Anatra ho an’ny fiarahamonina ny zava-misy tahaka izao. Na inona na inona olana, tsy vahaolana ny herisetra. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny zandarimariam-pirenena ankehitriny ary efa nisy ny fanadihadiana savaranonando natao tamin’ilay ramatoa. Tsy mbola misy aloha hatreto ny olona nijoro ho vavolombelona nahita ny tena zava-nisy teny amoron-drano. Ny fanadihadiana lalina io renim-pianakaviana io no mety hahalalana ny ampahany amin’ny anton-javatra nitondra nankany amin’izao zava-doza izao. Anio no hotanterahina ny fandevenana azy mianaka kely ireto, raha ny vaovao azo tamin’ny fianakaviana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT