Actualités

Ady mivady nitarika famonoan-tena Nafatrany tamin’ny tambohon’olona ilay fiara nentiny


  • Alarobia 03 Mey 2023

Raim-pianakaviana mpamily amina orinasa tsy miankina iray no fantatra fa nikasa hamono tena niaraka tamin'ilay

fiara nentiny ny alin'ny 01 mey lasa teo tokony ho tamin'ny 9 ora sasany teny Manakambahiny eo anelanelan'ny paompy sy ny toby mpanjinjara solika. Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia avy nifamaly tamin'ny vadiny tao anaty fiara ity Raim-pianakaviana ity. Nasainy nivoaka ireo vady aman-janany taorian’izany raha nalefany mafy ilay fiaran’ny orinasa nentiny ary navantany tany amin'ny tambohon'olona iray eny amin’iny faritra iny. Naratra mafy vokatr’izany ilay mpamily raha tapaka ihany koa ny tanany ilany ankavia. Potika ihany koa ilay fiaran’olona raha nirodana ilay tambohon’olona nifatrarany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny olana ara-pitiavana tahaka izao dia anisan’ny antony hamonoan’ny olona tena ihany koa ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny indrindra fa ny tanora. Tsy misy ohatra ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra sy ny fiatrehana ny fiainana amim-pilaminana ihany noho izany no hahafahana miady amin’izany.
Nangonin’I Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT