Ady mivady namoa-doza

Zaza 2 volana navela irery tao an-trano, maty lanin’ny voalavo…


  • Zoma 02 Febroary 2024

Zazakely iray vao roa volana monja no namoy ny ainy izay hita

lanin'ny voalavo tao an-tranony akaikin'ny Abattoir, sampanan'Andranovisy, Antsirabe, omaly vao mangiran-dratsy, raha ny vaovao avy any an-toerana izay niparitaka sy niteraka fanehoan-kevitra maro. « Ren'ny manodidina fa niady be ny Ray sy Reniny alina, lasa nivoaka izy ireo ary nohidiany irery tao an-trano ilay zaza», hoy ny fanamarihana. Tsy mbola fantatra kosa hatreto raha tena izay kaikitry ny voalavo izay no nahafaty ilay zaza na antony hafa mihitsy na koa efa maty vao nohanin’ny voalavo, fa ny tombatombana vonjimaika, dia noho io kaikitry ny voalavo io satria tena rapa tanteraka ilay zaza, indrindra ny faritry ny tarehiny. Raha ny fanamarihana dia somary manana fahasembanana ara-pihainoana ny renin’ity zaza ity. Efa samy nentin’ny mpitandro ny filaminana natao fanadihadiana izy ireo ny andron’ny omaly, raha ny vaovao avy any an-toerana. Vao herinandro teo izay no nisian’ilay tranga mampalahelo mitovitovy amin’ity teny Manarintsoa eto Antananarivo, nisiana zazavavikely 2 taona voalaza fa lasibatry ny daroky ny raikely, ka niafara tamin’ny famoizany ny ainy satria ny reniny tsy niraharaha azy sy voalaza fa mamolava. Io indray dia misy tranga hafa tany Antsirabe izay vokatry ny lonilonin’ny mpivady dia ny zaza tsy manan-tsiny no manefa hatramin’ny ainy. Tena zava-doza tsy roa aman-tany, ary anatra hatrany ho an’ny rehetra satria zavatra kely tsy voatandrina sy mety ho azo sorohana no mety hiteraka nenina sy fanenjehan’ny eritreritra mandra-maty.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT