Actualités

Ady iraisam-pirenena sy toe-draharaha ara-jeopolitika


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Hisy fifantenana « légionnaire » avy amin’ny firenena toa antsika ?

Ankoatra ny ady eran-tany ara-barotra, mbola mangotraka ny fifandonana ara-jeopolitika eo amin’ireo Firenen-dehibe ahitana ny Rosianina, Eoropeanina, Amerikanina mikasika ireo toe-draharaha goavana toy ny ady any Ukraine. Henjana fifandonana na ara-tafika na ara-politika ao anatin’io noho ny ady tombotsoa, ka isan’ny miditra an-tsehatra sady mpandray anjara no mpandamina i Etazonia, miezaka milaza fa eo anilan’i Ukraine i Eoropa izay efa naneho fa hampiakatra ny sora-bola ho fiarovan-tenany hatrany amin’ny 8 miliara dolara. Anisan’ny mafana fo ao anatin’ity raharaha ity i Lafrantsa izay manao serasera henjana amin’ny alalan’ny Filohany Emmanuel Macron, fa tokony hanaja ny lalàna iraisam-pirenena i Rosia ka hamerina manontolo ny lafin-tanin’i Ukraine izay bodoiny. Nangotraka ny valin-kafatry ny Rosianina izay nozarain’ny Masoivohony eto amintsika omaly, ka nilazan’ny Minisitry ny raharaharam-bahin’izy ireo Sergueï Lavrov hoe : « Mihirahira ny amin’ny hamerenana manontolo amin’i Ukraine ny lafin-taniny ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, nefa tsy miteny mihitsy momba ny fananan’i Lafrantsa tany any amin’ny Kaontinanta Afrikanina. Miantso mafy fa tokony hanaja ny lalàmpanorenana sy ny lalàna iraisam-pirenena ny Rosianina nefa tsy mahatsiaro velively, fa tsy araka ny fanapahan-kevitry ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana sy ny sitrapon’ireo mponina amin’ireo faritra Afrikanina sasantsasany ny mbola fitazonan’ny Frantsay ampahan-tany amin’ireo faritra ireo ». Mitohy ny fifandirana sy tsy fitovian-kevitra, ary ahiana hihamafy ny ady ara-tafika any Ukraine. Manomboka mandeha ny feo sy ahiahy amin’ny hanaovana fifantenana miaramila avy amin’ny firenen-kafa na « légionnaire » hampiasaina hanampy tosika amin’ny ady hifanandrinana amin’ny Rosianina, halefa any amin’ny vava ady na « front line ». Mazava ho azy raha mandeha tokoa izany, fa aty Afrika toa an’i Madagasikara no hakana ireo « légionnaire», tahaka ny politika nakana miaramila avy amin’ny tany nozanahana toy ny tamin’ny ady lehibe. Betsaka no mety ho roboka ny avy aty amin’ny tany mahantra satria ny « légionnaire» iray mikarama eo amin’ny 2 183 hatramin’ny 3100Euros izany hoe 10-16 tapitrisa Ar eo, ankoatra ny « primes » sy tambin-karama samihafa, aorian’ny taona voalohany feno. Betsaka no mety ho roboka amin’izany, hatao kitoza any am-bava ady raha ho tonga amin’izany ny tantara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT