ADY AMIN’NY VALALA ANY ATSIMO

Velon-taraina ny mponina, tsy misy hafitsoka ny Fitondrana


  • Alarobia 12 Jona 2024

Mihamahazo vahana hatrany ny andiam-balala any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy.

Velaran-tany mpamoka-bary amina ha maro no efa rakotra antony mampitaraina fatratra ireo tantsaha mpamokatra. Hatreto anefa dia mbola tsy hita ihany izay fepetra raisin’ny Fitondram-panjakana. Resahina ombieny ombieny fa efa mamolavola paikady izy ireo saingy indrisy. Efa tonga any an-trano ny valala hoy ny mponina. Vao omaly indray izao dia fantatra fa namolavolana programan’asa mba hisorohana ny fiverenan’ny andiam-balala ao anatin’ny 3 ka hatramin’ny 4 taona ireo Ministera voakasika. Ankoatra izay dia hisy kosa ny fanovana sy fanatsarana ny rafitra entina miady amin’ny valala (IFVM). Ny mahamaika ny mponina anefa dia ny fijerena azy ireo amin’izao fotoana izao aloha. Efa nisymoa ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka hahafahana manao ny ady an’habakabaka ary hitohy kosa ny ady an-tanety amin’ny andiam-balala izay andrasana indray ny mety ho vokany.
Pati
Legende : Sady mamono valala tahaka izao ny mponina no maka mba hatao laoka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT