Ady amin’ny trafikana bidibia sy kolikoly eto

Manamafy ny fidirany an-tsehatra ny Amerikanina


  • Alarobia 14 Aogositra 2024

Tanterahana eto Antananarivo nanomboka omaly 13 hatramin’ny anio 14 aogositra ny

fihaonambe Nasionaly faharoa ho an’ny ady amin’ny fanondranana bibidia. Tafiditra tao anatin’io ny seha-pifanakalozan-kevitra bokarakarain’ny WWF (World Wildlife Fund ) sy ny TI-MG (Transparency International - Madagascar Initiative), izay tohanan’ny USAID (Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena) amin’ny alalan’ny tetikasa CCWT (Countering Corruption and Wildlife Trafficking). Nandray anjara tamin’io ireo sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly, ary ireo mpiara-miombon’antoka lehibe hafa, mba hiresaka momba ny zava-bita sy ny olana lehibe toy ny fiarovana ireo mpitsikilo momba ny tontolo iainana, ny fizarana ireo fomba fanao tsara indrindra amin'ny fampiasana angon-kevitra momba ny fanondranana biby an-tsokosoko, ary ireo fomba hafa maharitra amin'ny ady amin'ny fanondranana biby sy ny harena voajanahary ary ny kolikoly eto Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany hiady amin’ny fanondranana bibidia an-tsokosoko sy ny kolikoly ny fitondram-panjakana amerikanina nandritra ka nanipika ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa anatiny sy iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny Masoivohon’i Etazonia, Stephanie Arnold. Ny fiantraikan'ny CCWT dia ahitana ny fanamafisana ny fahafahan'i Madagasikara miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko amin'ny alalan'ny fanofanana ireo tompon'andraikitra miisa 350 eo anivon’ny Governemanta Malagasy momba ny lalàna, ny fomba fiasa ary ny teknika fanadihadiana manokana momba ny ady amin'ny kolikoly, ny fanondranana biby an-tsokosoko iraisam-pirenena, ny vola tsy ara-dalàna ary ny ady amin'ny heloka bevava voarindra iraisam-pirenena, hoy ny fanazavana. Nanofana olona 51 an-tsitrapo any amin'ny faritra manan-danja izay hanjakan’ny ny fanondranana harena voajanahary, ka nahatonga ny tatitra sy ny fisamborana ireo mpanondrana sokatra an-tsokosoko any atsimo. Mamatsy vola 10 tapitrisa dolara amin'ny alalan’ny tetikasa miisa telo amin'izao fotoana izao ny governemanta Amerikanina mba hiatrehana ny fanondranana an-tsokosoko ny biby eto an-toerana sy iraisam-pirenena, anisan'izany ny fanavaozana ny fomba fiasa ankampobeny, ary ny fanamafisana ny fitantanana ny tontolo iainana,… Maherin'ny 300 tapitrisa dolara kosa no efa naompany tamin’izany nanomboka ny taona 1984, raha ny tatitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT