Actualités

Ady amin’ny tavoahangy plastika Fantatra ireo tetikasa roa hiatrika ny famaranana


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Ankoatra ny fiahiana sy fanampiana ireo sahirana dia mandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny orinasa Star.

 

 

Lohalaharana amin’ireny ilay tetikasa kopakelatra natao hanangonana ireo tavoahangy plastika miparitaka eny rehetra eny izay tena manimba ny tontolo iainana tokoa. Nisy ny fifaninana manokana nokarakarainy ho an’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tetikasa miisa 48 no voarain’izy ireo tamin’izany ka ny 2 tamin’ireo no nosafidian’ny besinimaro hiatrika ny dingana famaranana, nampahafantarina ny mpanao gazety omaly. Anisan’ireny ny tetikasa Andao Compagny izay mifantoka amin’ny fanamboarana fanaka vita amin’ny bararata sy plastika voahodina ary manolona 5% amin’ny tombony azony ho an’ireo fikambanana misehatra amin’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Teo ihany koa ny tetikasa Credit Carat izay manolotra rafitra hahafahana manakalo ny tavoahangy plastika ho lasa credit carat izay azo hampiasaina toy ny vola. Iray amin’ireo tetikasa ireo no hofidian’ny olona mandritra ny 2 herinandro. Hibata ilay lela-vola 20.000.000 Ar izay hivoaka ho mpandresy amin’izany.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT