ADY AMIN’NY KOLIKOLY

Tanora manana kolontsaina


  • Zoma 05 Jona 2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Manohy ny fanamafisana ny fampiharana ny Paikadim-pirenena iadiana amin'ny Kolikoly (SNLCC) 2025-2030 ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI). Ny tanjona ankehitriny dia hampiorina ny kolontsaina mifototra amin’ny fahitsiana eo amin’ny tanora Malagasy. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa notanterahina tao amin’ny toeram-piasan’ny BIANCO tetsy Ambohibao teo amin’ny CSI, ny Fikambanan'ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF) ary ny Soisy mahakasika ny « Fanohanana ny ady amin'ny kolikoly amin'ny alàlan'ny fanabeazana sy ny tanora». Ity fiaraha-miasa ity dia mikendry indrindra ny: hanentanana ny tanora hahay ny lokanadin’ny fahitsiana, fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra; hamporisika ny fandraisany anjara mavitrik’izy ireo amin'ny raharaham-pirenena sy fanaraha-maso ny politikam-panjakana; hampiroborobo ny fananana taranaka mivoy sy manolo-tena amin’ny fahitsiana sy ny fahamendrehana ary ny fitondran-tena ampiharina amin’ny asam-panjakana ; hanamafy ny anjara toeran’ny tanora amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra, fifampidinihana ary fandraisana fanapahan-kevitra ary hanome vahana ny famolavolana tolo-kevitra mivaingana ho an'ny fanavaozana ny fitantanana sy fahitsiana.
TANORA IVON’NY FANOVANA
“Anisan'ireo sehatra fito laharam-pahamehana ao amin'ny SNLCC 2025-2030 izay ahitana ny fitsarana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fananan-tany, ny hery fiarovana sy ny filaminana, ary ny fitantanam-bolam-panjakana ny tanora. Izy ireo ho mpitarika any aoriana any. Ny fandraisan’izy ireo anjara amin’izao tetikasa izao, dia manomana sahady ny ho avy ary manorina ny ankehitriny miainga amin'ny fototra matanjaka sy maharitra. Amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity, ny CSI, ny OIF ary i Soisa dia manamafy indray ny faharesen-dahatr’izy ireo fa ny ady amin’ny kolikoly dia miainga amin’ny fanabeazana maha-olom-pirenena, ka mametraka ireo ny tanora ho ivon’ny dingan’ny fanovàna ny firenena.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT