Ady amin’ny kolikoly sy halatra tany

Milaza hanova fiasa ny «Domaine » Avaradrano


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Raharaha isan’ny nitana ny sain’ny maro ny ady tany ao Isahafa anatin’ny

kaominina Anosy Avaratra, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Tany manodidina ny 20 ha no misy olana, fa ilay farany teo dia ny raharaha fanodinana tanin’olona manodidina ny 5ha no nampidoboka tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany any am-ponja. Efa nahavitana taratasy hosoka sy voasoratra amin’olon-kafa ny tany. Isan’ny nanaovan’ny olona fitaraina ny karazana fandrirarirana toy ny filazana fa tsy hita ny boky rehefa « Certificat de Situation Juridique » eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany na ny « Domaine ». Ankehitriny, namoaka filazana ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany Avaradrano, fa miova tanteraka ny fomba fiasa. Tanjona ny hanafoanana ny kolikoly ary ny tsy hampisy ny elanelana eo amin’ny lehibe sy ireo mpikarakara taratasy, ho fanatsarana ny asa. Handray ny olona rehetra manana fitarainana mahakasika ny mpiasa na « agent » ny lehibe rehetra. Tsy maintsy hazavain’ny mpikajy ny fananan-tany avokoa ny antony mahatara ny famoahana ny "Certificat de Situation Juridique" (CSJ) ary soniavin’ny mpiasa sy ny mpitaraina. Ny antontan-taratasy rehetra miala eo amin’ny sampan-draharaha Avaradrano na izay efa vita rehetra dia atao peta-drindrina avokoa isaky ny alatsinainy. Farany, ny fikirakirana ny famoahana ny CSJ dia haharitra 15 andro ary roa volana kosa ny antontan-taratasy ankoatra izay. Hisy ve ny fanenjehana ireo mety ho niray tsikombakomba tamin’ny mpanao ratsy nahavita nanoratra tanin’olona tamin’ny anarany ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT