Nisy omaly ny fampiofanana ireo mpikamban’ny holafitry ny mpisolovava mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Ny Transparency international – initiative Madagascar moa no tompon’antoka tamin’ity fampiofanana ity.
Fotoana ihany koa izy io nampahafantarana ireo tomponandraikitry ny lalana ireto ny tsara ho fantatra bebe kokoa mikasika ny asa sy fomba fiasan’izany atao hoe TI-IM izany, izay tompon’antoka tamin’iny fampiofanana omaly iny. Nisy moa ny fifanarahana hitohizan’ny fiaraha-miasa maharitra kokoa eo amin’ny roa tonta, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.