Actualités

Ady amin’ny kolikoly Nahazo mpitsara roa vaovao i Mahajanga


  • Talata 13 Oktobra 2020

Tontonsa omalyy tetsy amin’ny Fitsarana an-tampony ny lanonam-pitsarana manetriketrika nanaovana ny fianianan’ny lehiben’ny Tendro iraisan’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly (PAC) ao Mahajanga.

 

 

 Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020/647 dia Ramatoa Rakotomahazo Patricia no voatendry ho lehiben’ny mpitsara mpamoaka didy eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga faharoa miady amin’ny kolikoly ao Mahajanga. Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020/648 dia Ramatoa Ranorine no lehiben’ny mpitsara mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga faharoa miady amin’ny kolikoly ao Mahajanga. Manana traikefa ary mpitsara efa nitazona andraikitra maro eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara izy roa vavy ireto. Samy nianiana teo imason’ny olo-manan-kaja sy tompon’andraikim-panjakana maro tonga nanotrona izy ireo fa hitsara amin’ny hitsiny sy ny rariny, hitandro ny fahamarinana sy ny tsiambaratelon’ny diniky ny fitsarana. Nandritra ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity dia nomarihin’ny Filoha voalohan’ny fitsarana an-tampony (PPCS) sy ny Tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana an-tampony (PGCS) fa efa mizotra ny ezaka sy ady atao amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana. Marihina moa fa araka ny lalàna, dia hotontosaina afaka andro vitsivitsy ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’ireto lehiben’ny PAC Mahajanga any amin’ny toeram-piasany amin’izao andraikitra vaovao ho sahaniny izao. solotenam-panjakana isan-tsokajiny no nanatrika ny lanonana, ka anisan’ny nanome voninahitra izany fotoana izany ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ny Filohan’ny CFM Maka Alphonse,…

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT