Ady amin’ny kolikoly

Mbola tandindonin-doza ny mpisintona lakolosy


  • Zoma 12 Jolay 2024

Nomarihina omaly 11 jolay ny andro Afrikaninana hankalazana ny ady amin’ny kolikoly omaly.

Ady hevitra an-databatra boribory no nanamarihana izany teto Madagasikara, mba hijerena ireo dingana sy fanatsarana, fa indrindra ny fiarovana ny mpitoroka, mpisintona lakolosy,… Nisy solontena Afrikanina avy any Mali moa niara-nanamarika izany teto, nijery ny tsara azo raisina, ary nitondra soso-kevitra fanatsarana. Efa betsaka ny dingana vita ho antsika satria efa 20 taona lasa no nanaovana sonia ny fifanarahana, nampiditra ireo antontan-kevitra rehetra sy ny rijan-teny ny Malagasy, ary efa tafiditra ho lalàna eto Madagasikara, hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco Atoa Laza Andrianirina. Asa vadi-drano anefa, ka tsy vita raha tsy hifanakonana, fa ny rehetra no mila mandray anjara. Mipetraka ny lalàna hidiana amin’ny kolikoly izay nohavaozina tamin’ny 2016, misy ary mihatra, fa mety hoe misy lesoka, saingy tsy any ny olana, fa fitaovana irao io ampisaina, tahaka ny zavatra rehetra tsy misy ny lavorary, hoy ny fanamarihany. Matoa misy ny vokatra, hoy izy, dia mipetraka ny lalàna ary hampiharina, izay tsy miankina amin’ny Bianco fa mampihatra ny anjarany. Nomarihin’ny Tale Jeneralin’ny Bianco fa isan’ny tena zava-doza ho an’ny firenena ny fanodinkodinana volam-panjakana sy ny fananam-panjakana. Miandrandra ny solombavambahoaka hametraka ny rijan-teny hamenoana ny lalàna hiadiana amin’ny kolikoly moa ny Bianco. Ho an’ny Firaisamonim-pirenena manokana, dia nanipika, fa misy ireo dosie goavana tsy mety tonga any amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ fa mikatso eny amin’ny Antenimierampirenena. Mila apetraka ny lalàna, ampiasaina ny rafitra ahafahana mampihatra sy mampihodina ilay lalàna, hoy Atoa Andriamoraniaina Harijaona avy amin’ny Firaisamonim-pirenena. Eo ihany koa ny tokony hanamafisana ny fiarovana ireo mpitoroka sy mpisintona lakolosy. Maningotra ny ady amin’ny kolikoly ihany koa ny tsy fisian’ny fahalalana hahafahana mahazo antontam-baovao ankahalalahana, mila beazina ny olom-pirenena,... Laharana 147 amin’ny firenena 180 isika ary tsy manana isa afatsy 25/100, raha ny fanasokajian’ny Transparency International. Ny fanasokajian’ny World Justice Project kosa no mametraka antsika ho faha-134 amin’ny firenena 142, izany hoe anisan’ny Firenena 10 voalohany be kolikoly indrindra, tsy nahazo naoty afatsy 0,27…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT