Ady amin’ny kolikoly

Mandray anjara feno amin’ny


  • Talata 16 Desambra 2025

COSP 11 any Doha i Madagasikara

Manatrika ny fivoriana faha-11 an’ny Firenena Mpikambana momba ny Fifanarahana iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly (COSP 11) any Doha (Fanjakan’i Qatar), ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, izay tanterahina ny 15 ka hatramin’ny 19 Desambra 2025, araka ny fampitam-baovao ofisialy. Miara-dàlana aminy ireo tompon’andraikitra ambony sasany ao anatin’ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly toy ny BIANCO, ARAI, CSI, SAMIFIN,… Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny rafitra ara-panjakana sy ny fanorenana mafy ny fanjakana tan-dalàna, ary maneho ny fahavononan’i Madagasikara handray anjara mavitrika amin’ny fiaraha-miasa Iraisam-pirenena ho fisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly izy, raha ny fanamafisana hatrany. Fivoriana voasokaky ho sehatra ambony ahafahana mandinika ny fampiharana ny Fifanarahana, mampiroborobo ny fifanakalozan-kevitra ara-politika eo amin’ireo firenena mpikambana, ary manamafy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana maneran-tany, indrindra eo amin’ny sehatry ny fifanampiana ara-pitsarana, ny fisorohana ary ny famerenana ireo fananana azo avy amin’ny kolikoly moa ity atao any Doha ity. Manamafy indray ao anatin’ny fandraisany anjara i Madagasikara ny amin’ny fanajany ireo soatoavina fototra momba ny mangarahara, ny fahitsiana sy ny andraikitra, indrindra ihany koa ny firosoana amin’ny fiaraha-miasa miorina amin’ny fahamendrehana ara-panjakana sy ny fanajana ireo fanoloran-tena iraisam-pirenena. Ankoatra ny fivoriana ofisialy, handray anjara amin’ny dinika roa tonta sy fihaonana ara-teknika, izay mikendry ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, hampiroborobo ny fahaiza-manao nasionaly, ary hiteraka vokatra maharitra sy azo refesina ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana. Tsara ny manamarika fa tamin’ny fivoriana lehibe tany amin’ny CPI (Cour Pénale Iraisam-pirenena) tany La Haye ny tamin’ny fiandohan’ity volana ity, nanolo-kevitra ny hampidirana ho isan’ny heloka iraisam-pirenena ny fambaboana Fanjakana amin’ny alalan’ny fangejana ireo rafitra samihafa toy ny fitsarana, ny tafika,… hitazomam-pahefana mba hanaovana jadona sy kolikoly ary fangoronan-karena sy ny maro hafa na « crime de capture d’Etat » ny Fanjakana Malagasy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT