Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna

Nanolotra tan-tsoroka ara-pitaovana ny COI


  • Talata 12 Aogositra 2025

Niroso amin’ny dingana iray mikasika ny fiarovana ny harena an-dranomasina sy ady

amin’ny jono tsy ara-dalàna i Madagasikara sy ny Vaomieran’ny Oseana Indiana (COI), araka ny fanambarana iombonana nataon’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Tsimanaoraty Mahatante, sy ny Sekretera Jeneralin’ny COI, Edgard Razafindravahy omaly 11 aogositra.Nanolotra rafitra herinaratra avy amin’ny masoandro mahazaka 12 Kilowatts ny COI ho an’ny Foiben’ny Fanaraha-maso ny Jono ao Madagasikara, izay ahafahana manara-maso ny sambo mpanjono amin’ny alalan’ny satellite mandritra ny 24 ora isan’andro. Mitentina 19.600 euros ny totalin’ny vidin’ny « kit solaire » natolotra. Natao io hanamafisana ny fahafahan’ny firenena manara-maso ny jono amin’ny fomba mitohy sy mahomby, sady hisorohana ny fahaverezan’ny angon-drakitra. Tafiditra ao anatin’ny fanohanana ihany koa ny fanofanana ny ekipa teknika sy ny fikojakojana ny fitaovana. Manampy izany ny nanolorana fitaovana fifandraisana an-dranomasina ho an’ny sambo mpanara-maso TELONIFY, ahitana: Finday satellite, Antenne fouet an-dranomasina, Printer, izay miteti-bidy 49.150 euros, natao hanatsara ny fifandraisana mandritra ny fanaraha-maso an-dranomasina sy hiantohana ny fiarovana ny ekipa. Marihina fa sambo iray amin'ireo 25 ampiasain'i Madagasikara amin'ny fanaraha-maso ny jono tsy ara-dalàna izany ity sambo Telonify ity. Tafiditra ao anatin’ny Drafitra Fiaraha-miasa amin’ny Fanaraha-maso ny Jono (PRSP) sy ny tetikasa E€OFISH, tohanan’ny Vondrona Eoropeana ity fanohanana ity. Tanjon’ny PRSP ny hanamafisana ny fiaraha-mientan’ny Fanjakana mpikambana amin’ny COI amin’ny fisorohana sy fanaraha-maso ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatondro ary tsy voafehy. “Ny fanomezana herinaratra maitso sy fitaovana fifandraisana dia manamarika ny fahavononan’ny COI sy Madagasikara hiaro ny harena an-dranomasina, izay fananana iombonana ho an’ny faritra,” hoy ny Sekretera Jeneralin’ny COI, Edgard Razafindravahy. Nambaran’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Tsimanaoraty Mahatante, fa “zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fanamafisana ny rafitra fanaraha-maso, satria miankina amin’izany ny faharetan’ny harena an-dranomasina sy ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy.”
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT