Actualités

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna Manamafy ny fanohanany ny Amerikanina


  • Talata 06 Jona 2023

Tanterahina eto Antananarivo mandritra telo andron’ny 5-7 jona 2023 ny fivoriambe iraisam-paritra tarihan’ny Blue Ventures entina hamolavolana paikady iombonana hiatrehana ny jono tsy ara-dalàna,

tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna. Miara-miombon’antoka amin’izany ny Amerikanina, ka nanamafy i Etazonia, fa miara-miasa amin’ireo firenena eto amin’ny faritra andrefan'ny Ranomasimbe Indianina amin’ny ady atao amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna. Notsipihina fa loharanon-tsakafo ho an'olona an-tapitrisany maneran-tany ny harena an-dranomasina ary manan-danja manokana amin'ireo nosy toa an'i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Araka ny nambaran’ny Firenena Mikambana, olona maherin'ny 600 tapitrisa no mivelona amin'ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Na dia eo aza ny fepetra noraisina eo amin’ny sehatra nasionaly sy rezionaly mba hanakanana sy hanafoanana ary hiadiana amin'ity jono tsy ara-dalàna ity, dia mbola loza mitatao ho an'ny rohivoahary an-dranomasina, ny fivelomana ary ny fanjarian-tsakafo ho an'ny mponina amoron-tsiraka izany ary manimba ny toekarena manga maharitra sy ara-drariny eo anivon’ny faritra, ary mbola olana maneran-tany, hoy ny fanamarihana. Mba hamaliana ireo fanontaniana manan-danja ireo, nanamafy ny Masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro fa miara-miasa amin’ny Blue Ventures Conservation Madagascar, ny Minisiteran'ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) amin’ny fanatanterahana ny fivoriamben’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny jono, solontenam-panjakana, fikambanan’ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina avy amin’ireo firenena Nosy ireo. Iray amin’ireo hetsika maro novatsian’ny Departemantam-panjakana amerikana vola mitentina 227 000 dolara ao anatin’ny tetikasa tantanin’ny Blue Ventures ity fivoriambe ity. “Ao anatin'ny fanatsarana ny fitantanana ny jono, dia nanolo-tena ny hiditra ao amin'ny FiTI na (Fisheries Transparency Initiative) izahay ka ankehitriny dia anisan’ireo firenena kandidà amin’izany. Tsy ho ela dia hanana ny paikadim-pirenena hiadiana amin'ny jono tsy ara-dalàna… ”, hoy ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga Atoa Mahatante Paubert.


Ho an’i Madagasikara, afaka mampiditra 7 miliara dolara isan-taona ny harena an-dranomasintsika, raha ny fanehoan-kevitra efa nentin’ny mpahay toekarena Serge Imbeh Jovial.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT