Ady amin’ny herisetra sy

fanararaotana ara-nofo Hiara-hisalahy hiaro ny mpanao


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

gazety vehivavy ny Studio Sifaka sy ny OJM

Tontosa omaly 10 oktobra tetsy amin’ny Foiben’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM etsy Ambohidahy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny ONG Studio Sifaka sy OJM, izay miompana amin’ny fiarovana ny mpanao gazety vehivavy amin’ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo mandritra ny fotoana iasany. Maro ny hetsika mifandraika amin’izany, toy ny fametrahana ny antsoina hoe: “cellule genre et pratique journalistique”, arahin’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny Holafitry ny mpisolovava, holafitry ny psychologues,… Haharitra 6 volana izy io, ary ny OJM avy eo no hanamafy orina azy. Mbola hisy ny karazana atrikasa hoenti-mametraka an’io “cellule” io hamaritana ireo kazarana fitsipi-dalàna samihafa. “Maro ny endrika isehoan’ny herisetra, mety ho ny mpampiasa, mpiara-miasa, mpanome loharanom-baovao,… Maro ny antontan’isa satria tamin’ireo radio miisa 50 manerana an’I Madagasikara miara-miasa amin’ny Studio Sifaka ohatra, dia ny 70%n’ny vehivavy miasa amin’ireo onjam-peo ireo no efa samy nilaza fa efa niharan’ny herisetra teo amin’ny sehatry ny asa iandraketany”, hoy Atoa Harisson Ratovondrahona Tale mpanatanteraky ny Studio Sifaka. “Rafitra heverina hampisy ny fahasahiana hitoroka sy ahafaha-mandray an-tànana ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo. Hanampy amin’ny fiarovana ny mpanao gazety vehivavy io rafitra io, eny tena misy ny fanararaotana ara-nofo raha raisina amin’ny antontan’isa, ka heverina fa hivoaka amin’ny fahanginany ireo mpanao gazety vehivavy niharan’ny herisetra”, hoy kosa ny Filohan’ny OJM Rtoa Monica Rasoloarison.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT