ADY AMIN’NY HERISETRA-BFP

Nanohana sy nanarina vehivavy maro manerana ny Nosy


  • Zoma 13 Desambra 2024

Nifarana omaly Alakamisy 12 Desambra ilay 16 andro niadiana tamin’ny herisetra mifototra

amin’ny mahalahy sy mahavavy. Anisan’ny niasa mafy namita ny adidiny tamin’izany ny BFP na ny Brigade Feminine de Proximite nanerana ny Nosy toy ny teto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara, Ihosy, ary Toliara. Raha tsiahivina kely dia 5 taona izay ny BFP no niara-dia tamin’ny Association Fitia tamin'ny ady natao tamin’ny herisetra. Ny tanjona iombonana dia ny hiady amin'ny herisetra sy ny hanohanana ireo izay niharan’izany mba “hanarin-tena”. Manome fampiofanana maimaim-poana ho an'ireo vehivavy niharan'ny herisetra manerana ny Nosy araka izany ny BFP. Mandritra ny roa herinandro eo ho eo, dia fampiofanana mifantoka amin'ny fomba fanarenana ny fiainana sy ny fahaiza-manao ara-toekarena no omen’ny BFP azy ireo toy ny fanamboarana frites , ny famokarana ranom-boankazo , ary ny fitafiana sy ny fanjairana. Nozaaraina fitaovana sy vatsy ihany koa ireo mpiofana hahafahan’izy ireo manomboka tetikasa vaovao eo amin'ny fiainany. Tamin'ny andro voalohany, ny 5 desambra lasa teo tao amin’ny BFP Antsirabe dia vehivavy miisa 15 no nisitraka fitaovana sy vatsy, ka anisan'izany ireo vehivavy avy ao amin'ny fikambanana Aide aux Filles et Femmes en Detresse de Madagascar. Notolorana mari-pahaizana ihany koa izy ireo.
Pati
Legende : Sady mampiofana no mizara fitaovana tahaka izao izy ireo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT