Omena dia tetikasa iray izay notsongain’ny Clinton Foundation tao anatin’ny arivo maneran-tany, hoy ny fanazavana teo anivon’ity tetikasa ity.
Ny nampiavaka azy dia ny fifanojoan'ilay olana izay ezahanay vahana, izany hoe ny herisetra ara-tsaina sy ny fomba vao arosonay ho entinay manatanteraka izany, hoy izy ireo. Io Clinton Foundation io izany no fikambanana voalohany indrindra izay nahatoky ny vinavinanay ary nanampy anay anatanteraka ny famatsim-bola voalohany indrindra izay nentinay nanatontosa ny fikarohana voalohany natao tany Madagasikara ny taona 2019. Dimy taona taty aoriana dia narahabain’ny filoham-pirenena amerikanina teo aloha, Bill Clinton, sy ny Clinton Foundation izay tarihiny i Francesca Raoelison. Izy no malagasy voalohany nandray io mari-pankasitrahana io noho ny asa fampandrosoana sy fanampiana izay nifarimbonan’ny mpikambana tao amin’i Omena. Satria niitatra haingana dia haingana ny fikambanana nanomboka ny taona 2020. Tianay ny hamolavola firafitra lalim-pototra ahafahanay hiatrika ny hoavy sy hanatanteraka ny tetikasanay rehetra, hoy hatrany ny Omena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.