Actualités

Ady amin’ny fivoizana fankahalàna, fake news..


  • Zoma 24 Febroary 2023

Nanatrika fivoriana tany Paris ny minisitry ny serasera

Miatrika fikaonandoha iraisampirenena ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo Ny firenena rehetra ao anatin’ny firenena mikambana dia miara-miaiky fa lasa olana goavana amin’ny fampiasana ny tambajotran-tseraseram-pifandraisana amin’ny aterineto na “internet” ankehitriny ny fanapariahana vaovao tsy marina na “désinformation”, ny fivoizana resaka fankahalana na “discours haineux”, ny fanenjehana be fahatany sy totoafo amin’ny tambajotra na “harcèlement en ligne” ka manjary ambana ho an'ny fahalalahana miteny fa indrindra ny demokrasia. Izany indrindra no nahatonga ny firenena mikambana nikarakara nanomboka ny alarobia 22 febroary 2023, fikaonan-doha iraisampirenena handinihana ny fomba hitantanana ny aterineto sy ireo tambajotran-tserasera naterany mba hiadiana amin’ireo fanapariahana vaovao tsy marina sy famadihan-dresaka iniana atao na “désinformation et fake news”, hoy ny fampitam-baovao. Itovizan’ireo firenena rehetra mpandray anjara ny tokony handrafetana fitsipi-dalàna iraisampirenena hifehy ny fampiasana ny aterineto sy ny tambazotran-tserasera araky ny tokony ho izy mba tsy hamono ny fahalalahana miteny sy ny demokrasia. Miray feo amin'ireo firenena hafa maneran-tany i Madagasikara ary manamafy ihany koa fa iantohan'ny fifanarahana iraisampirenena sy ireo lalàna velona indrindra eto Madagasikara ny fahalalahana miteny saingy voafetran'ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fiantohana ny filaminam-bahoaka. Miray feo amin'ny firenena mampiasa ny teny frantsay sy ireo firenena afrikanina ihany koa Madagasikara mitaky ny fametrahana ireo orinasa mitantana ireo tambajotran-tserasera eo anoloan’ny andraikiny sy mitaky amin'izy ireo hampiditra anatin'ny politikany ny fanomezan-danja ny kolontsain'ny firenena tsirairay fa indrindra ny fampiasana ny tenin-dreny. Ny minisitry ny serasera sy kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, no mitarika ny delegasionina malagasy mandray anjara amin'izany fikaonandoha iraisampirenena atao any amin’ny UNESCO Paris izany. Nisy koa ny tafa nifanaovany tamin’ny tale jeneralin'ny UNESCO, Audrey Azoulay, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT