Ady amin’ny fipariahana vaovao diso

Nitsangana ny tranonkala « What the fact »


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy nanomboka omaly 13 novambra 2024 ny tranokala vaovao What The Fact https://whatthefact.wearecid.mg,

noforonin’ny ONG CID (Communication Idea Development) na « Hai-serasera manonga dia » amin’ny teny Malagasy. Marihina fa niorina tamin'ny taona 2016, CID dia fikambanana tsy miankina miasa amin'ny fampivoarana ny haino vaky-jery. Tranokala ahitana loharanom-baovao azon'ny rehetra tsidihina kosa ny What the fact, ary mikendry ny hampienana ny fiantraikan'ny fiparitahan'ny vaovao diso sy ny tena miaro fankahalana amin'ny tambazotra serasera sy aterineto amin'ny ankapobeny, raha ny fanazavana. Tanjona, hoy ny ONG CID, ny hanomezana fanamarinana ireo tranga sy fanaraha-maso ny fampiasana teny fankahalàna ao anaty tambajotra serasera. Rafitra mpanara-maso ireo tranga ara-tsosialy sy ara-politika (toy ny fanambarana, tsaho, sns.) ao amin'ny tambazotra sosialy, natokana ho an'ny ady amin'ny fipariahan'ny vaovao diso sy ny teny fankahalàna na fanaratsiana eto Madagasikara noho izany ny « What the fact ». Tafiditra tanteraka ao anatin'ny tetikasa Liberté d'expression Madagascar-MANEHOA, iarahana amin'ny INTERNEWS ary nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Vondrona Eoropeanina. Hiompana amina lohahevitra 4: fitantanana, fampianarana, fahasalamana ary tontolo iainana. Hisahana asa roa lehibe dia ny fanaraha-maso ny vaovao diso sy manara-maso ny teny fankahalàna. Ahitana mpahay lalàna, mpanao gazety, ary matihanina amin'ny siansa ara-politika sy serasera noho izany ireo mandrafitra ny What the fact. Izy ireo dia manana traikefa amin'ny sehatry ny ady amin'ny vaovao diso, fanaraha-maso ny haino vaky-jery, ary nahazo fiofanana manokana avy amin'ny Africa Check, fikambanana matihanina amin'ny fiadiana amin'ny fipariahan'ny vaovao diso (fact-checking) aty Afrika, hoy hatrany ny fanazavana. Afaka miditra sy mamaky malalaka ireo andinin-dahatsoratra avokoa ny rehetra, ary indrindra afaka misoratra anarana amin'ny fahazoana ny lahatsoratra FEO na olon-tsotra, na mpisehatra eo amin'ny asa fanaovan-gazety, na ny fiaraha-monim- pirenena, na ny adrim-panjakana sy ny mpiara-miombonʼantoka. Ary farany, tsy tapaka ny fanavaozana ny tranokala isaky ny misy ny lahatsoratra voamarina sy ireo fanaraina momba ny teny fankahalàna azon'ny ekipa, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT