Actualités

Ady amin’ny fanondranana andramena “Afaka mirehareha ny fanjakana”


  • Zoma 18 Aogositra 2017

Nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo delegasionina avy amin’ny kongresy Amerikanina notarihin’ny filohan’ny kaomisionina momba ny raharaha ara-pitsarana Bob Goolate ny minisitry ny fiarovam-pirenena Rasolofonirina Béni Xavier,

omaly. Efa miroborobo ny fampianarana teny anglisy eo anivon’ny foloalindahy mba hanamorana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Noresahina ihany koa ny ady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny asan-jiolahy. Nolazain’ny tompon’andraikitra fa hatodika mivantana amin’ny tafika an-dranomasina sy ny ady amin’ny asan-dahalo ireo miaramila vao horaisina. Nomarihiny kosa fa ny polisy sy zandary ihany no manana tetibola manokana handraisana olona vaovao fa ny an’ny tafika dia ny very ihany no azo soloina, izany hoe ireo maty sy voaroaka ary nisotro ronono. Raha misy 200 ny mandeha misotro ronono, ny 75% dia hatodika amin’ny tafika an-dranomasina sy halefa amin’ny faritra mena. Haompana amin’ny fitsirihana sy ny ady amin’ny fampihorohoroana ihany koa. Efa afaka mirehareha ny fanjakana Malagasy amin’izao fotoana fa nihena ny fanondranana boaderozy mitaha amin’ny teo aloha, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Tsiahivina kosa fa tsy nisy tohiny intsony ny momba ny fahatrarana andramena tany Masoala sy Toamasina ny volana febroary, izay mety efa adinony na hodiany tsy tsaroana. Olona ao an-dapa sy efa tao an-dapa rahateo no voatonona. Tsy mikely soroka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izahay, saingy fitaovana sy hery ara-dalàna fotsiny ihany, fa isika rehetra no miara-miady, hoy izy. Manomboka any amin’ny fianakaviana sy ny fanabeazana izany satria zanaka Malagasy sy olom-pirenena Malagasy ihany ireo olona mivaona, raha ny fanehoan-kevitr’ity minisitra ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT