Ady amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona

Nanome toromarika hentitra ny Minisiteran’ny Fitsarana


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Mirongatra izay tsy izy ny fanolanana zaza tsy ampy taona ankehitriny.

Ny antontan’isa nambaran’ny Filoham-pirenena ny 31 desambra 2023 teo izay voalaza fa voarakitra teny anivon’ny fitsarana dia nahatratra 672 tamin’iny taon-dasa iny. Ny fantatra ireny, fa heverina fa mbola mihoatra lavitra noho io mazava ho azy. Nanamafy ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana sy ny fanavaozana eo anivon’io Minisitera io, Rtoa Randrianarisoa Salohy Norotiana, fa tsy mitazam-potsiny ny fitondram-panjakana fa efa mandray fepetra ary mbola handray fepetra mafy kokoa, araka ny tsindri-peo nomen’ny Filoha. Notsiahiviny fa efa voarakitry ny fehezan-dalàna famaizana ny heloka mifandraika amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Notsiahivina fa voafaritra ny andininy faha-332 amin’ny fehezan-dalàna famaizana ny famaritana ny fanolanana, dia ny firaisana ara-nofo na inona na inona natao tamin’ny olon-kafa tamin’ny alalan’ny herisetra, fanerena, fandrahonana na tampoka. Saziana an-terivozona mandritra ny fotoana voafetra raha toa ka natao tamin’ny ankizy latsaky ny 15 taona katroka. Na iza na iza nanao io fihetsika mamoafady natao na nokasaina hatao tamin’ny ankizy latsaky ny 15 taona dia saziana an-terivozana mandritra ny fotoana voafetra. Ny tranga ankoatra izany kosa dia 2 ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina, araka io andininy io. Ny andininy faha-333 kosa no mametraka toe-javatra vao mainka mampitombo ny sazy na « circonstance aggravante » raha ohatra ka ny olona nanao ny fanolanana Raiamandrenin’ilay zaza voaolana na manana fahefana fahefana amin’ilay zaza na mpampianatra, mpitondra fivavahana,… dia sazian’ny lalàna higadra an-terivozona mandra-pahafaty. Fepetra noraisina ny fanamafisana ny teny midina nalefa eny amin’ny fampanoavana rehetra manerana ny Nosy ny politika famaizana na « politique pénale » momba ny fanolanana toy ny fanomezana tohiny mandrakariva ny fitoriana sy fitorohana na misintona ny fitoriana aza ny niharam-boina, hampiditra am-ponja vonjimaika na hitaky ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny voarohirohy raha ampy ny vesatra misy, fisakanana ny fanomezana fahafahana vonjimaika, fitakiana sazy hentitra rehefa mandeha ny fotoam-pitsarana ka hita fa misy porofo, fampiakarana raha tsy afa-po amin’ny didy,… Hisy ny fanarahana ireo fepetra ireo. Ny tranga tany Brickaville ny volana septambra teo nisiana fanolanana zaza 11 taona, ny fanolanana zaza 2 taona nataona dadatoany 40 taona, izay samy efa anya m-ponja. Nisy fikasana hanolana zaza 4 taona tao Fenoarivo Atsinanana, vao fikasana saingy sazian’ny lalàna ho toy ny nanolana ihany. Tranga iray hafa ny tao Arivonimamo ka halefa any Tsiafahy ny voapanga. Anjara tandrifin’ny fitsarana ny famaizana araka ny lalàna velona, ka mikasika ny fanovana ny fehezan-dalàna famaizana dia efa misy ny fandinahana sy famolavolana fanavaozana , ka tsy maintsy handalo an’ireo an-tanan-tohatra samihafa na «instance d’adoption » hampanan-kery azy. Nanamafy kosa ny fitsarana fa tsy hitsitsy ho an’ireo voaporofo fa nanao fanolanana na ny herisetra mahakasika ny maha lahy na maha vavy. Raha hiverenana, noresahan’ny filoham-pirenena ny hanasaziana an-terivozona mandra-pahafaty ny mpanolana zaza tsy ampy taona sy ny fampiasana ilay antsoina hoe : «castration chimique» na karazana fampidirana akora simika amin’ny vatana mba hampalemy ny taovam-pananahan’ny mpanolana. Mila fikitihana sy fanovana ny fehezan-dalàna moa io.
Legende : , Rtoa Randrianarisoa Salohy Norotiana, Tale Jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana sy ny fanavaozana eo anivon’io Minisiteran’ny fitsarana
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT