Ady amin’ny fandripahana harena voajanahary

Nanao soniam-piaraha-miasa ny AVG sy ny Bianco


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Tandindonin-doza noho ny tsindry ataon’ny politisianina sy ny tompon’andraikitra ara-panjakana

sasany amin’ny resaka fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary eto amintsika na ireo azo havaozina na tsy azo havaozina. Miha mitombo izany, ka anisany ny tsindry mahazo ireo mpampaneno lakolosy eny ifotony, izay lasa sakana amin’ny dingana famotsirana ny marina sy ny fitorohana. Noho ny fahatsapana ny maha zava-doza ny zava-misy vokatry ny tsindry sy fanaovana ampihimamba ny harena voajanahary, niroso tamin’ny fifanaovan-tsonia hanamafisana ny ady eo anatrehan’izany ny Firaisamonim-pirenena AVG (Alliance Voahary Gasy) sy ny Biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny kolikoly omaly 17 oktobra 2024. Soniam-pifanarahana mandritra ny 4 taona, ka tanjona ao anatin’io ny hamongotra ny kolikoly sy ny tsindry amin’ny resaka famotehana ny harena voajanahary ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy. Mamaritra ihany koa ny anjara asa goavan’ny firaisamonim-pirenena amin’ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery. Voafaritra ny fandrindran’asa sy rafitra iadiana amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana tambajotra afaka hifanehitra amin’ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary, ny fitsirihana lalina eo anatrehan’ny trangana kolikoly nampahafantarin’ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena,… Andrasana indray izany ny vokatra satria tsy vao sambany ny toy izao e !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT