Actualités

Ady amin’ny fampijaliana ny voafonja Handefa delegasionina eto ny Firenena Mikambana


  • Talata 11 Aprily 2023

Hisy delegasionina avy amin’ny rantsan’ny kaomisionina misahana ny fisorohana ny fampijalina na SPT (Nations unies pour la prévention de la torture) eo anivon’ny

Firenena mikambana (ONU) ho avy eto Madagasikara ny 16 aprily hatramin’ny 27 aprily 2023 ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Mifandraika amin’ny andininy faha-11 sy faha-12 amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny fampijaliana mahazo ny olona tazonina am-ponja no anton-dian’izy ireo eto Madagasikara. Ny taona 2017 moa isika no nanasonia an’izany. Hisy ny fihaonana ara-teknika sy ara-politika hiaharahan’ireo iraka amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ara-pitsarana, ary ny fitsidihana ireo fonja sy toerana hitazonana olona hanaovana fanadihadiana araka ny lalàna, eny anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Hisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo solonntenan’ny governemanta ahafahana mametraka lamina hanetsehana ny paikady nasionaly hisorohana ny fampijaliana sy ny herisetra izay takiana any amin’ireo firenena rehetra nanasonia ilay fifanarahana iraisam-pirenena tamin’ny taona 2017. Tsara ny manamarika, fa manodidina ny 30 000 ankehitriny ny isan'ny voafonja manerana ny Nosy raha toa ka 11 000 no tokony ho zakan’ireo fonja misy eto. Raha ny fanadihadiana efa nataon’ny Humanité & inclusion, dia ny 64% amin’ny olona tazonina am-ponja nohadihadiany no namoaka fa tena faran’izay ratsy ny fepetra iainana amin’ny fitazonana am-ponja eto amintsika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT