omaly alatsinainy 2 oktobra 2017, tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny lanonam-panokafana ny fiofanana amin’ny ady atao amin’ny famotsiam-bola,
Notanterahana tamin’ny fomba ofisialy izay iarahan’ny zandarimariam-pirenena amin’ireo sehatra samihafa, dia ny SAMIFIN sy ny « BFV- Société générale ». Miisa 24 mirahalahy ireo zandary notsongaina manerana ny Nosy ka hahazo tombony amin’izao fiofanana izao, izay mitsinjara ho toy izao : 09 manamboninahitra, 15 manamboninahitra lefitra. Hizara roa miavaka tsara ny fiofanana, ka ny 2 oktobra hatramin’ny 6 oktobra 2017, dia ny avy ao amin’ny SAMIFIN no hizara ny traikefa amin’ireo mpiofana ao amin’ny Toby Ratsimandrava. Hotontosaina ny 9 oktobra ka hatramin’ny faha 11 oktobra 2017 ao Analakely kosa ny tapany faharoa, ka ny « BFV-société générale » indray kosa no hitondra ny fahaiza-manaony amin’ireto mpiofana ireto. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny tale jeneralin’ny SAMIFIN, tale jeneralin’ny «BFV-Société générale » ary ny jeneraly komandin’ny zandarimariam-pirenena notronin’ireo manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra ambony maro. Nitovy ny fomba fijery tamin’izao hetsika izao, araka ny nambaran’izy ireo tamin’ny lahateny nifandimbiasana, dia ny hananana vokatra tsara amin’ny fanatanterahana ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ny hananana mpanao fanadihadiana mahafehy an’ity sehatra ity (Enquêteurs financiers) ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ireo sehatra ara-panjakana sy ny tsy miankina « 3P », izay irariana hatrany ny firoboroboany mba hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.